airtel

Politique

23-janv-2024

Ady amin’ny kolikoly, fanenjehana olona ambony

Notsikafonin’ny Filohan’ny HCC ho mandeha ila

Sample post image

Nohitsian’ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Atoa

23-janv-2024

Florent Rakotoarisoa omaly, fa mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny tany sy ny firenena noho ny tsy fahatanterahan’ny fanenjehana ireo tompon’andraikitra ambony voarohirohy amin’ny kolikoly avo lenta. Misy amin’ireo Praiminisitra na minisIitra teo aloha tokony hotsaraina any amin’ny Fitsarana avo na ny HCJ (Haute Cour de Justice) kanefa tsy mety tonga hatrany amin’ny farany ny raharaha noho ny sakana eo anivon’ny Antenimierampirenena. Mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly indrindra eo anatrehan’ny fisian’ireo olom-panjakana ambony mandika lalàna, fa ireo manam-pahefana any ifotony ihany no voahenjika hatreto. Tsy misy ny fanenjehana kosa amin’ireo kolikoly avo lenta mahasaringotra olona ambony tahaka ireo mpikamban’ny governemanta teo aloha. « Efa mipetraka daholo ireo rafitra hiadiana amin’ny kolikoly dia ny Bianco, ny SAMIFIN (iadiana amin’ny famotsiam-bola), ARAI (Sampan-draharaha manao fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny),… Ny zavatra tsapa anefa dia tahakany bokotra lobaka ity ady amin’ny kolikoly ity ka raha mivaralila ny atyambony, dia mivaralilala hatrany ambany », hoy i Florent Rakotoarisoa. Nambarany fa manao ny asany daholo ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly kanefa hatramin’izao ny HCJ izay mitsara ireo tompon’andraikitra taloha, efa 5 taona mahery izay, kanefa tsy misy dosie iray tonga any aminy. « Mivaralila ihany, ary mandringa ny ady amin’ny kolikoly, ka ny antony dia ny sakana ao amin’ny Antenimierampirenena, eo anivon’ny « Commission juridique » eo anivon’io andrim-panjakana io. Rehefa tonga any ny dosie dia teneniko mivantana hoe : tsy feno foana ny « quorum » na fetr’isa ao amin’ny antenimierampirenena dia tsy miasa ny HCJ », hoy hatrany i Florent Rakotoarisoa. Tao anatin’izay 5 taona nisian’ny HCJ izay, tsy mbola nisy na dosie iray aza tonga teo an-tanan’io HCJ io satria tsy mety feno ny fetr’isa noho ny mety ho tsikombakomba mandeha. Toa sary maneho fa natao ho an’ny mpangalatra akoho ihany raha mandray ohatra ny lalàna, fa ny mpangalatra na mpanodina volam-panjakana na fananam-panjakana amina miliara hasarotina ny fanenjehana. Noventesin’ny Filoham-pirenena sy nanaovana serasera mipoapoaka ary nampidirina anaty andry 3 hitondrana ny firenena mihitsy ny ady amin’ny kolikoly. Nankalazaina ho ren-tany ren-danitra ny fanaovan’ny Mpikamban’ny governemanta fianianana fa tsy hanao kolikoly ary manaiky hohenjehina. Tena serasera ivelany tahaka ireny tokoa ve no vahaolana handresena ny kolikoly sa ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalàna mba ho azo henjehina daholo ny mpanao kolikoly fa tsy hoe : afaka mialokaloka eo ambany fahefan’ny antenimierampirenana ny mpikamban’ny governemanta voasaringotra amin’ny kolikoly avo lenta ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap