navadika ho Madagascar Airlines, izay tsy iza fa Rtoa Rinah Rakotomanga. Nesorin’ny minisitra ity farany sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana saingy nidingin-drambo tsy nanaiky lembenana. Nolazaina fa hakatony avy hatrany ny biraon’ny Madagacar Airlines, saingy hatramin’izao toa tsy nisy an’izany. Nolazainy mihitsy fa hiady amin’ny tontakely izy ary halefa any amin’ny fitsarana ny raharaha famotehana sy fanaovana tantely afa-drakotra ny kaompania Air Madagascar izay nambarany fa tsy maintsy haverina ary tsy manan-kery sy tsy ara-dalàna izany Madagascar Airlines izany. Manampy trotraka izany, tao anatin’ny fanarenana dia nisy volabe 5 tapitrisa dolara hoe: hanamboarana ireo fiaramanidina Airbus A340 an’ny Air Madagascar saingy tsy mazava no niafarany. Tsiahivina hatrany fa ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Tinoka Roberto dia nilaza ny 10 novambra 2021 momba io fahazoana 5 tapitrisa dolara io, ka naneho fa afaka 4 volana dia afaka hiasa ireo fiaramanidina roa. Ny 3 volana hanamboarana azy, ary ny 1 volana hizaran’ireo mpanamory sy ekipazy hiasa ao amin’ny fiaramanidina, hoy izy tamin’izany. Nankaiza no niafarany? Inona no tohiny? Ny minisitra izao no nilaza fa mahalala ny teti-dratsy samihafa nokasain-dRtoa Rinah Rakotomanga sy Atoa Mamy Rakotondraibe, ary nanambara tsy nisy fihambahambahana fa tsy maintsy hofongoriny ny tontakely ka na hoesorina ao anatin’ny governemanta aza tsy mampaninona azy. Toa nalamindamina sy nampanginina anefa ny raharaha. Napetraka ho ambony ny tombotsoa politika ka nampatoriana ny afera maloto natsikafona teny amin’ny haino aman-jery? Mbola misy fanjakana tsara tantana azo antenaina ihany ve eto ?
Toky R
Hafahafa hatrany ny politikam-pitantanana asehon’ny Fanjakana Rajoelina. Miankina amin’ny tombotsoa politika ny laharam-pahamehana,
Sarotra ny miresaka amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso, Jerry Rakotoarijaona,
Diso tanteraka ny hoe: hanongam-panjakana ny mpanohitra raha mamory vahoaka etsy amin’ny Kianjan’ny Magro, ary tsy hisy Fanjakana hiongana amin’ny resaka kabary fotsiny izany satria maneho ny heviny sy ny fahitany ny
Ny vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana na JPRM dia tena manara-baovao ary mijery sy miaina ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, hoy ny mpikambana ao aminy, Rivellino Ravelomahazo.
Mihasarotra hatrany ny toeran’ny Fitondrana Malagasy na ho an’ny politika anatiny na ny ivelany. Ny ato anatiny, ambony ambany, tsy misy politikam-pitantanana anatiny tsy mazava,
Manana ny fahaiza-manaony sy ny nampiavaka azy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, manana ny tantaram-pahombiazana ara-piainana na “success story” izay nideran’ny maro azy izy,