airtel

Politique

18-avril-2023

Politique

AFK sy ny raharaham-pirenena « Efa hita ny vahaolana fa ny fandraisana andraikitra sisa »

Sample post image

Ny famohazana ny vahoaka handray andraikitra sisa no andrasana dia hivadika ao anatin’ny indray mipy maso ny tantaran’i Madagasikara.

18-avril-2023

Nivoitra io omaly nandritra ilay hetsika varavarana misokatra andiany faharoa nokarakarain’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina tetsy amin’ny Tana Hotel Antaninarenina. Nambaran-dRandriamparany Ricky mpitarika ny fikambanana fa mbola ho afaka hivoaka anaty lavaka lalina hilentehany ihany i Madagasikara dia ny fahantrana lalina iainany sy ny fametrahana ireo vahoaka Malagasy ho zazabodo hatrany tsy mba manan-kevitra….Izany rahateo ny ankamaroan’ireo fanontaniana tena napetrak’ireo mpandray anjara tonga tao an-toerana. Ho an’ny AFK manokana araka izany dia efa hita ny vahaolana. Efa ao avokoa ny fitaovana hampiasaina. Efa mandeha koa ny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fikarohana fa ny fiandrasana ny rehetra hifoha sisa no olana. Ohariny amin’ny sambo iray lehibe hatopatopan’ny ranomasina mantsy i Madagasikara ka tsy mahalala akory izay lalan-kalehany ary indraindray aza dia maty mihitsy ilay motera hany ka tsy mahita aleha intsony ny olona ao anatiny. Tsy maintsy ireo olona ao anatiny ireo ihany araka izany no hanavotra an’i Madagasikara dia ireo vahoaka Malagasy hoy hatrany Randriamparany Ricky.
Pati
Legende : Randriamparany Ricky, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Antso Fiaraha-monina Kristianina
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap