airtel

Politique

06-oct-2022

Politique

Ahiahy ara-pifidianana Miha mahery fiteny ny mpanohitra

Sample post image

Na mbola tsy marin-toerana aza ny hahatanterahan’ny fifidianana noho ny antony maro, efa mandeha ny kajikajy politika rehetra,

06-oct-2022

hoenti-miketrika fandresena. Lohalaharana amin’izany ny fitondrana ankehitriny, ary mitombo kosa ny ahiahin’ireo mety ho mpifandrina politika aminy amin’ny fifidianana. Loza mitatao ho an’ny tany sy ny firenena ary ny ho avin’i Madagasikara ny tsirambina sy ny mety ho kajikajy iarahan’ny Fanjakana sy ny Vaomieram-pifidianana, raha ny fanehoan-kevitry ny Depioten’i Toamasina Roland Ratsiraka tamin’ny fahitalavitra iray omaly. Mampitandrina ny CENI sy ny Fanjakana izy satria milaza ireo fa vonona hanao zavatra mahitsy, ka izao izahay dia efa manitsy azy ireo, hoy ity depiote ity. Lazaina, hoy izy, fa 01 oktobra no manomboka ny fanisana mpifidy, kanefa betsaka ny fanamarihana fa mbola tsy misy zavatra mendeha, tsy mbola misy “tablettes” nozaraina. Miantso hatrany ny Vondrona Eoropeanina, na OIF (Organisation Internationale de la Francophonie), na ny Fikambanana Iraisam-pirenena hanao fitsirihana na « audit » ilay “logiciel” na rindrambaiko I Roland Ratsiraka satria isika Malagasy tsy hifampatoky, hoy izy. Noraisiny ho ohatra tamin’ny resaka halatra efa misy foana ny fifidianana tao Toamasina hoe: mpanolontsaina monisipaly nandresy izy ireo, kanefa tany amin’ny fifidianana ben’ny tanàna nolazaina fa resy ka tena tsy mitombona mihitsy. Tsy nihambahambara ihany koa ny Filoham-panjakana teo aloha Rivo Rakotovao Mpandrindra Nasionalin’ny HVM ny talata teo naneho fa mampiahiahy ny tsy fitsoran’ny CENI mazava toy ny resaka tetibola hanaovana fifidianana. Tsy nihambahamba izy naneho fa laingalainga sy petatoko no betsaka, ka korontana no mety hiafarany. “Rehefa manao an’io fomba fanaony io ny fitondrana, be kajikajy any ambadika hampandaniana ny kandidany, tsy vonona hanitsy ny resaka lalàna, fa mieritreritra fa azy foana ny fahefana amin’ny resaka fifidianana dia lasa mivadika ho sakoroka”, hoy ny fanehoan-kevitr’io filoham-panjakana teo aloha. Rehefa tsy hanao ny asa ho asa masina ny Fanjakana, dia mety hiafara amin’ny korontana io, hoy hatrany izy nanamafy. Mbola aty amin’ny herintaona latsaka tsy hahatongavan’ny fifidianana, dia efa izany ny sary politika miseho ka mampanahy ny ho avy, ambony ny risika hisian’ny korontana raha tsy mipetraka ny lamina sy fitsipi-dalao mazava, fa indrindra ny fifampatokisana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap