airtel

Politique

21-août-2024

Ahiana hatrany ny teti-dratsy ara-pifidianana

Mila mailo be indrindra fa ny ara-taratasy

Sample post image

Tapa-bolana eo sisa dia hisokatra ny fotoana fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida

21-août-2024

ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, izay dimy andro monja no ananan’izy ireo, dia ny 5-10 septambra 2024. Tsiahivina hatrany fa lisitra no hofidiana amin’ity araka ny lalàna, ka fidiana miaraka amin’ny mpanolontsaina tarihiny ny ben’ny tanàna, ary arakaraka ny vato azo ny kajin’ny mpanolontsaina azo. Tsy lany ho mpanolontsaina kosa anefa ilay kandida ben’ny tanàna tsy lany. Amin’ny maha lisitra no hofidiana, mila mailo ireo kandida sy ny lisitra tarihiny amin’ny famenoana amin’ny antsipirihany ny antontan-taratasin’ireo mpilatsaka hofidiana rehetra. Betsaka ny mety ho kajikajy sy sakantsakana na antsojay politika, ary hitady fomba hamelezana an’ireo mpifanandrina atahorana aza mety hitranga raha ny efa hita hatrizay, mainka fa misy hirika malalaka mety hahafahana manintsana kandida. Raha misy mpiray lisitra mety tsy tomombana, dia mety ho sorona ny rehetra, ary mety hiara-hihintsana amin’ny maha lisitra no fidiana na « scrutin de liste » azy. Efa iny nampahatsiahy iny, ohatra ny Foibe Fitantanana ny hetra, fa ny fanaovana ny filazana ara-ketra sy ny fandoavana ireo hetra sy haba ao anatin'ny fe-potoana napetraky ny lalàna ary fanefana ireo trosan-ketra rehetra no ahafahan'ireo kandida manamarina ny maha-mpandoa hetra ara-dalàna azy. Ny fepetra mialohan’ny fotoana izay, fa mbola betsaka ihany koa ny fahamailoana mila hapetraka rehefa any anaty fampielezan-kevitra, mandritra ny latsa-bato sy aoriany. Efa ireny niaraha-nahita ireny rahateo ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna, izay betsaka ny tsy fahatomombanana, fitsidimbadihana vokatra, fitoriana voatsipaka ny ankamaroany,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap