airtel

Politique

29-janv-2024

Aingam-panahy no hitondrana firenena ?

Hanangana « Monument » goavana indray hono…

Sample post image

Hasiana « monument » ngeza be ao amin’ny Tanamasoandro ao Imeritsiatosika,

29-janv-2024

ary efa vita ny sary, mihoatra ny 80metatra. Tena avo dia avo, fa hisy adihevitra kely fotsiny hatao eo amin’ny filankevitry ny Minisitra satria misy safidy roa, ka amin’ny maha Malagasy dia « aloalo » sa « lakroa » hanamarika ny finoantsika. Afaka hiakarana any ambony any ary tena goavana be, hoy i Andry Rajoelina, filoha ankehitriny. Noraisina ho ohatra moa ilay tsangam-bato goavana miendrika sary olona na ny « Christ the Redeemer» any Rio de Janeiro Brésil. Hatramin’ny faran’ity taona ity no nampanantenana fa tsy maintsy hahavitan’izany. Zary lasa adihevitra moa ny momba io tena izany ve no maika sy laharam-pahamehana amin’izao fahasahirana sy fahantran’ny firenena izao ? Rehefa dinihina, te hametraka ny anarany hatrany, te hametraka tantara hoe : izaho no nahavita an’itsy zavatra goavana sy mijoalajoala tahaka ny Tour Eiffel any Frantsa, ny Statut de la liberté any Etazonia, ny Taj Mahal any Inde,… Izany ve ny mahaseriny sy maha somokotra ny fitondrana kanefa ny dabilio ho an’ny mpianatra aza miapanga tena ny Fanjakana fa 45000 amin’ny 2 000 000 ihany no zakan’ny tetibolam-panjakana. Ny toekarena mitotongana ambony ambany, ny sandam-bola tsy sasatry ny mitrosona, ny vidim-piainana tsy zaka, ny olona miha mahantra fadiranovana, ny làlana tapitra potika, ny tsy fandriampahalemana tena efa zava-doza,… dia hanangana « monument » goavana no resaka mivoaka. Mampametra-panontaniana ihany hoe : tena programa sy fandaharan’asa mazava ve no hitondrana ny firenena sy handaniana ny volam-bahoaka sa hoentina amin’ny aingam-panahy ka taitaitra sy manonofy ao dia hoe : andao isika hanangana « monument » goavambe ? Tena izany ve no hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Toa mampahatsiahy an’ilay hoe : hanafatra ireo karazam-biby tsy fahita eto toy ny liona, elefanta, zebra,… mba hisintonana mpizahatany, izay tena nampanongo tena ny maro. Ny famaritana ny fampandrosoana sy ny fandrosoana mihitsy aloha no mila iadian-kevitra sy faritana ho an’i Madagasikara fa toa hoentina amin’ny politikan’ny haingo ambony tsikoko hatrany ka mahavita « monument » goavana, mahavita teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana, mahavidy « logiciel » 14 tapitrisa dolara tolo-botsotra hitsikolovana ny gasy,… fa tsy mahavidy dabilio ho an’ny mpianatra, tsy manana politika mazava ho an’ny famoronan’asa, efa maty mosary ny Malagasy vao hoe andao ampiana ny tantsaha,… Raha miverina amin’ny Tanamasoandro fotsiny: tena vita araka ny nambara hatrany am-piandohana sa fanombohana isaky ny misy fitsidihana any Imeritsiatosika ? Aiza ilay « Fly over » etsy Anosizato sy Ampasika izay nambara fa hifanohy makany ? Mby aiza ny «Autoroute » miazo ny Tanamasoandro.
Légende : Ity tsangam-bato goavana « Christ the Redeemer » manan-tantara sy mampiavaka an’i Brésil natsangana nanomboka ny taona 1922 ary vita ny 1931 ity ity indray izany no niaingan’ny aingam-panahy etsy Imeritsiatosika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap