airtel

Politique

13-mars-2023

Politique

Akaiky ny fifidianana Mamoron-dia etsy sy eroa ny Filoha

Sample post image

Rehefa jerena ny antony dia toa tsy dia misy maha samihafa loatra amin’ny anton-dian’ny praiminisitra Ntsay Christian

13-mars-2023

niaraka tamina minisitra maromaro tany atsimon’ny nosy na Toliara farany teo loatra ny anton-dian’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, any an-toerana nanomboka ny sabotsy teo ary naharitra 3 andro be izao. Nigadona eto Toliara ny Praiminisitra lehiben'ny Gouvernemanta A/toa Ntsay Christian. Nigadona tao Toliara ny 8 martsa 2023 teo ny praiminisitra Ntsay Christian, amin’ny maha solontenam-panjakana azy, raha ny fampitam-baovao voaray, nijery ifotony ireo traboina sy ny takaitra navelan'i rivodoza Freddy tany Atsimo Andrefana. Nanotrona azy tamin'izany ireo ministra sasany toa an’i Mahatante Paubert, minisitry ny jono sy ny toekarena niampy ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana sivily sy miaramila. Nijery manokana ireo toerana hipetrahan'ireo traboina sy ny tokony hanampiana azy ireo, ny reniranon'I Fiherena mba hisorohana ny loza sy ireo toerana maro hafa no voalaza ho isan’ny anton-diany tany. Tonga hitondra ny fanampiako aty aminareo aho, hoy ny filoham-pirenena tamin’ny kabary nataony vao tonga tany an-toerana tamin’ny sabotsy. Tsy hanao fety isika, hoy izy, fa hifampizara ny olana misy. Nambarany tamin’izany fa hisy kaontenera iray feno fitaovam-pianarana sy kilalao ho an’ny ankizy avy ao Toamasina ho avy tsy ho ela ao an-toerana. Tsy adinony ny nampahatsiahy fa faritra voalohany notsidihany taorian’ny naha lany azy I Toliara. Nilaza ianareo tamin’izany, hoy izy, fa matoky ahy. Tsy mbola niova ny foko. Tonga hamonjy anareo aho, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Mipetraka hatrany ny fanontaniana. Volan’ny filoham-pirenena manokana sa volam-panjakana no laniana amina fivoahana tahaka itony? Fiaramanidina manokana vaovao indray ve ity nentina nidina ifotony ity? Raha tsy fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, inona no anton’ilay lokon’ny antoko politikany nisaloran’ny filoham-pirenena sy ny ekipany nandritra ity lazaina fa fidinana ifotony ity? Inona ihany koa no antony handrarana ireo firehana sasany tsy hanao ny fanamiany sy mba hanao fidinana ifotony tahaka itony ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap