nipoitra indray tetsy amin’ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009 tetsy Ambohitsirohitra rehefa ela tsy tazana intsony teo amin’ny fanehoan-kevitra politika. Aoka tsy hifandrangitra mihitsy isika malagasy, hoy izy. Rehefa manana kianina ianao dia avoahay! Aza manao tsindry ila fa be koa ny tavela any ambadika any ary tsy adino. Fitoniana no ilain’ny firenena. Mila mifampiresaka ny samy malagasy. Krizy 2 no nisy teto Madagasikara. Corona ny iray. Rakotra ny firenena manerana izao tontolo izao ary nijanona daholo ny raharaham-pirenena rehetra. Isaorana an’Andriamanitra fa tany masina ity Madagasikara ity. Tsy dia betsaka ny namoy aina teto. Niaiky ny rehetra hoe fa naninona I Madagasikara no tsy dia voa mafy dia aza adino fa mba namoaka zavatra isika teto. Ny CVO, ny ED1, izany hoe rehefa malagasy moa no manao azy dia miely ny tsaho rehetra. Io i Okrainina indray! Mandraingiraingy indray izao ny firenena eoropeanina. Hatraty io no misy fiantraikany. Hajanony ny herisetra fa andao hiady hevitra isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby