airtel

Politique

30-juil-2021

Politique

Alain Ramaroson Miara-dalana hatrany amin’ny ambany tanàna

Sample post image

Miara-dia hatrany amin’ny ambany tanana Atoa Alain Ramaroson, filohan’ny antoko Masters no sady filohan’ny voamieran’ny fiarovana teo anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha.

30-juil-2021

 Tonga nitsidika ny fikambanana FTMR6 na ny fikambanan’ireo tanora ambany tanana mpanao rugby manerana ny Boriborintany 6 ny tenany omaly. Teny Andavamamba no nisian’izany fihaonana izany ka nilazan’Atoa Alain Ramaroson fa eo hatrany izy miaraka ary miaraka amin’ny rehetra. Ankoatra izany dia naneho ny heviny ihany koa ny fikambanana FTMR6. Nambaran’ny filohany fa tsy hanaiky mora foana ny fikasana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena izy ireo satria olom-boafidy ny filoha fa tsy napetrapetraka fahatany. Miantso ny rehetra eny ambany tanana mba hiray hina araka izany ny tenany ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Mbola nanamafy hatrany moa Atoa Alain Ramaroson fa ny firaisankina no hery ka tokony hifanohana sy hifanome tanana ny rehetra amin’izao lalan-tsarotra lalovan’ny firenena izao.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap