hoy ny depioten’i Madagasikara, mpikatroka eo anivon’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, Alain Ratsimbazafy. Ny dikan’izay dia mankato ny dingana ny TIM, hoy izy, saingy mametraka kosa ny fanamarihana mahakasika ny hoe fanatanterahana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana izay. Betsaka ny lesoka hita. Isany ny tsy fahampiana fitaovana amin’ireo mpanisa mpifidy. Misy fokontany sasany ahitana fampiasana “tablette” ohatra fa ny ankamaroany, eny, fa na eto an-drenivohitra aza dia misy tsy mitondra izay fitaovana izay. Eo dia efa misy tsy fitoviana ny fandraisana ny anaran’ilay mpifidy. Manaraka izay dia hita koa ny asa manokana ataon’ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny. Tsy misy akory any amina fokontany sasany hoe ireo mpanisa mpifidy na “agent rescenceur” no manatanteraka ny asany fa lasa ireo sefo fokontany sy ny lefiny no midina isan-tokantrano. Afaka mitondra porofo amin’izany izahay. Isany ny ao amin’ny fokontanin’Ifarihy ao amin’ny kaominina Ankaraobato, distrikan’Atsimondrano, izany nitondran’ireo mpanisa mpifidy fanamarihana hoe ny sefo fokontany mihitsy no mandray ilay anarana. Tsy misy dikany izany ny fametrahana ireo solontenan’ny CENI any anivon’ny fokontany tsirairay tokony hanao izany asa izany. Misy lesoka be dia be eo amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana ity lisi-pifidianana ity ka dieny vao manomboka isika dia hanaovana antsoavo amin’ireo tomponandraikitra, indrindra, ny CENI mba hanova paikady amin’izay asa fanavaozana izay. Zava-dehibe ny fifampiresahana mialohan’ny fifidianana. Fifidianana ihany no ahafahana mampilamina firenena iray anaty tany demokratika. Lalana iray ahafahantsika miroso mankany amin’izay filaminana izay ny fikaonandoham-pirenena. Efa misy koa ny komity tekinika manomana azy io na CMT ka hirariana ny hirosoan’ny fitondram-panjakana amin’izay ihany koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny