airtel

Politique

13-mai-2022

Politique

Ambalavao Olona 50 no efa voasolokin’ilay pastera sandoka

Sample post image

Betsaka ireo tsy an'asa eto amintsika. Mitombo isa hatrany izany indrindra fa ny tanora antony mahatonga ireo tsy mataho-tody hanararaotra azy ireny.

13-mai-2022

Ho an'ny distrikan'Ambalavao ohatra dia ankizy miisa 50 no efa voasolokina lehilahy iray izay mitonona ho pastera amin'ireny fiangonana zandriny ireny. Milaza fa mahita asa izy ary hakany vola ireo ankizy. Eny am-piandohana dia lazainy fa hanamboarana ireo antontan-taratasy maro isan-karazany ny vola omena azy hahafahana mamonjy ilay asa any ivelany hampanantenainy izay tsy voafaritra. Rehefa vita izany dia hakany vola indray ny ankizy hatao saran-dalana Ambalavao Antananarivo mandroso sy miverina hanamboarany ilay passport ono. Mangina tanteraka izy aorian'izany ka rehefa hanontaniana dia andraso andraso lava ny valiny. Ny nahavariana ireo ankizy any an-toerana dia tsy azo an-telefaonina intsony Ingahirainy ary fantatra fa efa nifindra toeran-kafa. Karohina fatratra ny lehilahy amin'izao. Ny mahavariana amin'ny tranga tahaka itony dia mbola misy hatrany ireo olona voafitaka mikasika ny fahafahana mahazo asa any ivelany. Amin'ny ankapobeny mantsy dia tokony misy agence izy ireny fa tsy izay rehetra mahay miresaka dia hametrahana fitokisana avy hatrany. Anatra ho an'ireo mbola tsy tratra ity tranga ity.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mitonona ho pastera
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap