airtel

Politique

14-avril-2023

Politique

Ampamoaka avo lenta Mandetika mafy ny mpitondra teo aloha i Houcine Arfa

Sample post image

Mifoha ny raharaha Houcine Arfa, ilay teratany Frantsay voalaza fa mpanolontsaina ny Filoha teo Hery Rajaonarimampianina, saingy nisy olana ka nalefa tany am-ponja, saingy tafatsoaka.

14-avril-2023

Nosamborina ny jona 2017, nohelohina sy nogadraina noho ny resaka fisandohana andraikitra, fikambanan’olon-dratsy,… moa I Houcine Arfa, ary nohamafisina izany na nisy aza ny fampiakarana nataony ny Aprily 2018. Teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly kosa no tafatsoaka. Isan’ny nalentiny ho nandray vola 70 000 euros taminy ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany fotoana sy olona ambony maro. Ankehitriny, miezaka manao ampamoaka, toa miendrika fandetehana ny Filoha teo aloha sy ny Fanjakana HVM ity teratany Frantsay 59 taona ity. Ny alarobia teo, nangataka tamin’ny fitsarana any Paris mba hanao fanadihadiana mikasika ny zavatra niainany nandritra ny fitazonana am-ponja azy teto Madagasikara sy ny fandosirany indray I Houcine Arfa, araka vaovao notaterin’ny AFP. Ny fiandohan’ny taona 2018 fotoana nahatafaverenany tany rehefa nitsoaka avy eto no efa nametraka fitoriana, ary mbola nanao izany indray ny volana aprily 2022. Eo anatrehan’ny tsy fisian’ny fanadihadiana lalina anefa, nametraka fitarainana amin’ny alalan’ny “partie civile”, mba hihetsehan’ny fitsarana Frantsay. Voalaza fa nanao ampamoaka sy nilaza zavatra maro nambarany fa niainany sy nihatra taminy. Anisan’izany ny hoe: fampijaliana sy habibiana nihatra taminy, fanitsakitsahana ny fahalalahana maha olona, kolikoly,… Ny taona 2015 no voalaza fa nanombohany niara-niasa tamin’ny Fanjakana tamin’ny maha mpanolontsaina ara-pilaminan’ny Filoha. Nilaza anefa izy, fa nitsimbadika ny rasa rehefa nandà ny iraka nambarany fa nampanaovin’ny Filoham-panjakana tamin’izany. Anisan’ny notantarainy araka ny lahatsoratra navoakan’ny AFP ny iraka hamono an’I Marc Ravalomanana, hitsikilo an’I Andry Rajoelina,… Lasa vavolombelona manelingelina mafy na “témoin gênant” teo anatrehan’ny heloka sy fandikan-dalàna saika hikitikitihana olona manana ny maha izy azy, toy ireo manodidina ny Filoha teo aloha I Houcine Arfa, hoy ny fitantarana. Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: ao anatin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao sy fotoana manomboka isehoan’Atoa Hery Rajaonarimampianina sehatra indray no mifoha itony resaka itony? Tsy misy hidiran’ny kajy politika ve? Inona no mety ho akony eo amin’ny fifandraisana ara-pitsarana sy ny diplaomasia? Resaka avo lenta, mety misy hidirany amin’ny kajy politika itony, ka andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny ankilany raha hanao izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap