airtel

Politique

28-nov-2024

Ampamoakan’i Tahina Razafinjoelina

Hamarinin’ireo ela nietezana tao amin’ny TIM hatrany

Sample post image

Nanomboka tamin’ny nanapahan’ny ben’ny tanàna teo aloha sady mbola kandidà ho ben’ny tanàna ao Ivato

28-nov-2024

hevitra hirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana fa tsy amin’ny anaran’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM intsony no efa tsikaritra fa miha tsy milamina hatrany ny fiarahamonina ao anatin’ity antoko ity. Tsy izaho no nanary ny TIM, hoy i Penjy Randrianarisoa, tamin’izay fotoana izay fa ny TIM no nanary ahy. Nilaza moa ny mpanakanto Bodo, izay isan’ireo nanorina izany antoko TIM izany niaraka tamin’ny filohany Marc Ravalomanana, taorian’ny ampamoakan’i Tahina Razafinjoelina, izay kandida ho ben’ny tanàna atolotry ny antoko politika Tia tanindrazana eto Antananarivo renivohitra, fa tafiditr’ireo mpanao fiavin’ny tafara na «Virus» ny TIM, ary nilazany fa samy akaiky ny fony ny kandida roa fa nisafidy ny hanohana ny kandida mitondra ny laharana faharoa na n°2 izy. Nilaza ho nisintaka noho ny antony mifandraika tamin’izany koa avy eo ny ben’ny tanànan’i Talatamaty teo aloha, Elie Dominique Raharinoasy, ary izao milatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana izao. Farany teo moa dia ny ben’ny tanànan’Ampitatafika teo aloha, izay mbola nisafidy ny hilatsaka ho ben’ny tanànan’Ampitatafika indray amin’ny anaran’ny TIM ihany aloha no tsy nisalasala nilaza fa potehin’ireo mersenera politika ankehitriny ny TIM. Toa hamarinin’ireo ela nietezana tao amin’ny TIM hatrany, araka izany, ny ampamoakan’i Tahina Razafinjoelina izay nanasongadina fa nisy tokoa ny tsy nety.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap