airtel

Politique

08-sept-2023

Ampy izay ny setrasetra sy ny herin’ny vola!

“Tena hijoro izahay raha eken’ny HCC ny firotsahan-dRajoelina”

Sample post image

Miala tsiny aho amin’ny fitenenana mafimafy, fa maty feon’ny fieritreretana ny Filoha am-perinasa eo anatrehan’ny firesahany fitiavan-tanindrazana.

08-sept-2023

Efa ela no nohitsakitsahin-dry zareo ny lalàna, fantatra fa mizaka ny zom-pirenena hafa, fa tsy Malagasy intsony, kanefa dia mbola midrikina mirotsaka ho Filohan’ny Malagasy”, hoy ny mpandrindra Nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao omaly tao amin’ny fahitalavitra iray. Notsikafoniny ny mizana tsindrian’ila tahaka ny tamin’ny 06 septambra, namoaka naoty miendrika didy jadona ny Prefen’Antananarivo, noravana ny tao Analakely, fa maninona no tsy noravana ny tao Mahamasina. Nambarany fa endrika ny fanaovana barofo na hisy faty olona aza ka hoentina amin’ny hoe: na ho potika aza ny firenena dia tsy maintsy I Andry Rajoelina no ho lany. Efa nahatsinjo an’io ny HVM matoa tsy nanohana an’io fitondrana io. Fantatra fa tsy maty ny tsy fanaraha-dalàna, toy ny fandrombaham-pahefana eny an-dalambe, fakana fahefana nisiana faharavam-panana sy faty olona izay efa fomba amam-panaony, … Ny fahitana ny firenena izay potika eo amin’ny fitondrana, dia miala tsiny ary tsy manao alahelon-karena, fa mahita ireo mpanohana dia manohana ny paosiny, makorelina politika, fiarovana ny tenany sy ny tombotsany, miaro ny fiharian-karenany satria mieritreritra fa izao fanambakana ny Malagasy izao, ny fahantrana mihoampampana, fandihizana eo anatrehan’ny fahantran’ny Malagasy no mampetipety ny fiainany, hoy I Rivo Rakotovao. Nisintona ny sain’ny mpitsara eo anivon’ny HCC i Rivo Rakotovao, ka nilaza fa misy farany ny zvatra rehetra. Manomboka rahoviana no hitsangana amin’ny fahamarinana fa tsy ny herin’ny vola sy ny basy no hakantsika fanapahan-kevitra tsy ara-dalàna? hoy izy. Nilaza noho izany ny tenany, fa vonona hijoro ny HVM sy ny kandidany raha sanatria ka eken’ny HCC ny firotsahan-dRajoelina. “Hitarika mihitsy izahay, handray fanapahan-kevitra lehibe eto amin’ny firenena satria ampy izay tanjaky ny vola sy ny setrasetra ary ny tsy firaharahiana an’ity firenena ity”, hoy hatrany I Rivo Rakotovao. Ankoatra io moa dia nisy ny fanambarana nataon’ny HVM, izay nosoniaviny, naneho fa “mahatsapa fa mikoroso fahana ny toedraharaha politika ary tandindomin-doza ny demokrasia eto Madagasikara. Voahitsakitsaka ny zo fototra sy ny zo haneho hevitra ary ny fahalalahan 'ny tsirairay hivezivezy sy hivory an-kalalahana izay arovan'ny lalampanorenana sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena”. Tranga izay nibaribary nandritra ny fanakantsakanana sy barofo natao tamin'ireo kandida nikaon-doha sy haneho hevitra, teny amin'ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy ny alatsinainy 4 septambra 2023, momba ny fiandrianam-pirenena ka tsy tokony hanekena ny Filoha Vahiny hitondra an'i Madagasikara, raha ny nambaran’ity Antoko ity. Ny antokon’ny fitondrana anefa nalalaka. Tompon’adraikitra tanteraka ireo tomponandraikim-panjakana manome baiko raha toa ka misy ny mahazo ny Filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany, ny mpikambana amin'ny antoko HVM ary ireo mpitarika eo amin'ny ankolafy fanoherana, hoy ny HVM eo anatrehan’ny endrika fampihorohoroana toy ny fandefasana mpitandro filaminana mihaodihaody eny amin’ny toeram-ponenana mpanao politika. Mihamafana ny toe-draharaha politika ka sanatria ve ho tonga any amin’ny korontana vao ho taitra isika?
Toky R
Sary Fanehoana

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap