airtel

Politique

21-févr-2022

Politique

Andrakandrana no betsaka Governemanta 5 ao anatin’ny 3 taona…

Sample post image

Isan’ny tompondaka tamin’ny fanovana sy fikitihana governemanta ity Fanjakana tarihin-dRajoelina ity. Hiditra amin’ny andiany fahadimy tao anatin’ny 3 taona raha ho avy ny fikitihana na fanovana manaraka eo.

21-févr-2022

 Endriky ny tsy fahamatorana amin’ny fitantanana firenena. Ny 24 janoary 2019 no nijoro ny governemanta voalohany, ka ny Praiminisitra Ntsay Christian izay nivoaka taorian’ny tolon’ny Depiote 73 ny 2018 hatrany no mbola voatendry hitarika izany. Efa maro ny fanovana nisy tao anatin’izay, ka ny 24 jolay 2019 dia efa niala na nesorina ny Minisitry ny fampianarana ambony Rtoa Rojo Felicité Fienena, ka ny Pr Blanche Nirina Richard no nasolo azy, saingy tsy naharitra ity farany noho ny fanadinam-panjakana nikorontana, ka fanintelony ny Minisitra ankehitriny Pr Assoumacou Elia Béatrice. Tsy maintsy niala tao anatin’ny governemanta ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina, rehefa nirotsaka ben’ny tanàna, ka Atoa Tehindrazanarivelo Djacoba no nisolo azy, ary nanomboka ny 15 aogositra 2021 dia i Patrick Rajoelina. Nesorina ny minisitry ny angovo Vonjy Andriamanga ny 29 oktobra 2019 rehefa nisy olana goavana ny famatsian-tsolika Isan’ny nahitana fanovana Minisitra imbetsaka ka ny Minisitry ny paositra tamin’izany Atoa Christian Ramarolahy no niantsoroka vonjimaika ny toerany, ary voatendry ho Minisitra nisahana tanteraka ny angovo ity farany tato aoriana saingy toa nanana olana, ka nosoloina an’Atoa Andry Ramaroson. Efa nisolo ihany koa ny Minisitry ny toekarena sy ny vola izay niandraketan’Atoa Richard Randriamandranto, nodimbiasan-dRabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Isan’ny nahitana fiovana minisitra imbetsaka indrindra ny Minisiteran’ny fahasalamana, niainga tamin’ny Pr Julio Rakotonirina, Pr Ahmad Ahmad, ny 20 aogositra 2020 no voatendry ho Minisitry ny fahasalamana indray ny Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis rehefa nesorina tamin’ny toerany ny Pr Ahmad Ahmad, ary tamin’ny fanendrena farany teo dia ny Pr Zely Arivelo. Nesorina noho ny raharaha “Panier garni” ny Minisitry ny fanabeazana Volahaingo Marie Therèse, notendrena ho solon’ny Minisitry ny fampianarana Rtoa Adriamanana Rijasoa saingy tratry ny raharaha “bonbons sucettes” ka Rtoa Sahondramalala Marie Michelle no nasolo azy. Nosarahana tamin’io Minisitera io ny fampianarana teknika, ka nanendrena Atoa Tsikeliankina Ernest ho minisitra, saingy efa nisolo hafa koa. Notendrena ho Minisitry ny mponina kosa Rtoa Bavy Michelle Angelica, rehefa lasa nanambady diplaomaty Amerikanina ny Minisitra Naharimamy Irmah, saingy nesorina nosoloina an-Rtoa Soafilira Princia. Ny minisitry ny filaminam-bahoaka efa nisolo satria mbola nisy an’Atoa Rafanomezantsoa Roger izay nosoloina an’Atoa Randrianarison Fanomezantsoa. Ny 15 aogositra 2021 ny fanovana farany, ka isan’ny tsy voatazona tamin’ny toerany ny Minisitry ny fitsarana Jacques Randrianasolo izay notsikerain’ny depiote IRD ka Atoa Imbiki Herilaza no nasolo azy, ary efa hiditra minisitra fanintelony. Efa in-droa niova ny Minisitry ny fiompiana sy ny fambolena, niainga tamin’Atoa Ranarivelo Fanomezantsoa, avy eo Dr Raymond. Nesorina ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Fidiniavo Ravokatra avy eo tsy nisy minisitra hatramin’ny nialan’i Brice Randrianasolo ny 18 aogositra 2021 fa ny Praiminisitra no mitantana azy vonjimaika. Ny Minisitry ny indostria sy ny varotra efa fanindroany niova, ka taorian-dRtoa Lantosoa Rakotomalala dia tonga i Edgard Razafindravahy. Ny minisitry ny rano efa fanindroany nisolo satria efa nisy an-dRtoa Rakotovelomanantsoa Voahary vao Atoa Ladislas Adrien Rakotondrazaka, ankoatra ny tamin’ny mbola fitambarany tamin’ny Minisiteran’ny angovo. Efa minisitra faharoa ihany koa no mitantana ny Minisiteran’ny tontolo iainana satria Atoa Alexandre Georget Lehiben’ny Antoko Maitso no nitantana izany, ary rehefa nandeha ilay fitadiavana “CV” dia tonga ry Raharinirina Baomihavotse, izay nasiana Minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala taty aoriana ka tafaverina ny Antoko Maitso tamin’ny alalan-dRtoa Hortensia Antoinesie. Efa nisolo ihany koa ny Sekreteram-panjakana Miadidy ny zandarimaria rehefa nandeha nisotro ronono ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ka ny Jeneraly Serge Gellé no nomena ny andraikitra. Atoa Tinoka Roberto no tao amin’ny Minisiteran’ny Fanatanjahantena, nosoloina an’Atoa Hawel Mamod'Ali, ka nalefa tany amin’ny Minisiteran’ny fitaterana i Tinoka Roberto. Ny Minisiteran’ny Atitany efa minisitra faharoa satria rehefa nesorina Atoa Tianarivelo Razafimahefa dia nasosoka Atoa Pierre Houlder izay tena olon’ny Vondrona MAPAR.
MINISITRA 5
Minisitra 5 eo tamin’ny ankampobeny no tsy niala mihitsy tao anatin’ny governemanta hatramin’ny niantombohany ny 24 janoary 2019, dia ny Minisitry ny fiarovana Jeneraly Rakotonirina Léon Richard; ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy izay nampiantsorohana vonjimaika ny Minisiteran’ny fitsarana, ny Minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo izay nahena ny fahefany ka nesorina taminy ny asa vaventy izay nomena an’Atoa Hatrefindrazana Jerry; ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy, ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto izay nafindra departemanta fotsiny, ny Minisitry ny fizahantany Atoa Joël Randriamandranto,… Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap