Nankasitrahany manokana ny asa vitan’ireo rafitra samihafa anivon’ ny Firenena Mikambana miasa eto amintsika; izay nambarany fa vavolombelon’ny fahavononana mba hananan’ny olona rehetra fiainana mivelatra sy mendrika amin’ny alalan’ny fametrahana filaminana sy amin’ny alalan’ny fanomezana vahana ny fanajana ny zon’olombelona. Araka izany, nametraka fanamby hampanjakana ny filaminana ny Firenena mikambana, ary tsapa ankehitriny fa mavesa-danja ao anatin’izany ny fomba fifandraisana maro lafy ka mino sy miray hevitra amin'ny hivelaran'izany miainga amin'ny foto-kevitra hatrany amin'ny fampiharana i Madagasikara, mba hanatrarana an’io fanamby io, hoy ny Praiminisitra. Naneho ny tenany fa niara-niasa hatrany tamin’ny fitondram-panjakana ny Firenena Mikambana, ary nanohana ny vahoaka Malagasy, indrindra tamin’ireo fotoan-tsarotra samihafa toy ny tamin’ny valanaretina Covid-19, ny fandalovan’ireo rivodoza teto Madagasikara, ary amin’izao fotoana izao ny krizy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Nisy hatrany ny fiarahana mitady vahaolana mba hitantanana sy hampihenàna ny vokadratsin’ireny olana samihafa ireny ka nirarian’ny Praiminisitra ny hitohizan’ny fiaraha-miasa. Izay ny amin’ny lafiny miabo, ary misy foana ny fomba firesaka ara-diplaomatika, fa amin’ny lafiny iray hafa, maro ireo endri-javatra mety mamparefo ny fifandraisan’ny roa tonta. Mety somary hamparisarisa ohatra ny fihetsik’I Madagasikara mandroso mihemotra tamin’ny latsa-bato nanamelohana an’I Rosia,…
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby