airtel

Politique

13-janv-2023

Politique

Andron’ny manamboninahitra Nanamafy ny Filoha fa manohana hatrany ny foloalindahy

Sample post image

Ankalazaina isan-taona, isaky ny 12 janoary 2023 ny andron'ny manamboninahitra eo anivon’ny Tafika Malagasy manerana ny Nosy.

13-janv-2023

Toy ny isan-taona, nandray anjara tamin'ny fankalazana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy, niaraka tamin'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena sy ireo Manamboninahitra eo anivon’ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eto amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny andron’ny omaly. Entina hameloman'aina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ary indrindra hanamafisana ny firalahiana sy ny firaisan-kina eo amin'ireo manamboninahitra Malagasy moa ny Andron’ny manamboninahitra. Nanamafy hatrany ny firesany matetika dia ny hoe: “fanohanany ny foloalindahy” ny Filoha, ary naneho ny fahavonany hanampy azy ireo na amin'ny lafiny ara-pitaovana na ara-piofanana. Niantso ireo manamboninahitra sy ny Tafika malagasy iray manontolo, ihany koa ny tenany hanamafy ny ezaka rehetra efa natao amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny firenena. Toy ny isan-taona dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no nitarika ny fibaikona nandritra ny lanonana fananganan-tsaina, narahin'ny fanolorana ny gisa ho an'ny Filoham-pirenena ary ny fanatanterahana ny hazakazaka ara-piralahiana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap