airtel

Politique

21-déc-2022

Politique

Andry Biahary Afaka mody any Toliara

Sample post image

Taorian’ny fitakiana sesilany maro samihafa mikasika ny tokony amoahana ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera nosamborina tao Toliara ny alakamisy teo

21-déc-2022

Andry Biahary, dia fantatra omaly hariva fa afaka mody mamonjy ny fianakaviany any Toliara ny lehilahy taorian’ny nitazomana azy tao Fianarantsoa. Araka ny vaovao voaray farany anefa dia sazy miantona 18 volana no mbola mitatao aminy noho ny antony voalaza fa fitarihana hanongam-panjakana. 6 volana noho ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana. Afaka noho ny fisalasalana kosa izy mikasika ny resaka fanalam-baraka an-tambazotran-tserasera. Nialoha izany dia ireto no diso fito mikasika ny fisamborana ity mpandraharaha naneho ny heviny manoloana ny heveriny ho tsy rariny tao an-tanindrazany ity, hoy ny mpanao politika zanak’iny faritra iny, Durlin Retogniane. Nosamborina amin'ny andro alina. Tsy fantatra ny anton’ny fisamborana na "motif d'arrestation". Nentina niala ny faritanin'i Toliara. Tsy nahazo zo hanana mpisolovava na "droit à l'avocat". Tsy afaka mamangy azy ny fianakaviany. Nosakanana ny fianakaviana izay saika nanaraka azy tany Fianarantsoa. Tsy notsaraina taorian'ny didy fampisamborana na "mandat de dépôt" 48 ora, araka ny voalazan'ny lalàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap