filoham-pirenena teo aloha izay mbola kandida ankehitriny, raha nandalo tao Sambirano ny 12 oktobra 2018. Mila vahaolana vaovao isika, hoy izy, tamin’izay fotoana izay. Ny programan’asa izay entiko dia hanatrarana ny fahatarantsika amin’ny resaka fampandrosoana ao anatin’ny 5 taona monja, hoy izy. Tapitra ihany ity ilay 5 taona. Nandroso tokoa ve izany ilay Madagasikara raha milaza ny banky iraisampirenena fa mahantra ny 81%n’ny malagasy amin’izao fotoana izao na koa hoe isan’ireo firenena miisa 4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika? Ampy ilazana fa nandroso ve ilay firenena ny fahavitan’ny lalana sy hopitaly hoe manara-penitra ary EPP manara-penitra, izay ny sasany vao avy nitokanana dia nihotsaka, ny sasany nirodana ho azy, ny sasany mitete sy manara-pofona? Etsy ankilan’izay, fa iza moa no mpitondra nifanesy teto nanomboka ny taona 2009 hatramin’izao? Ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, no nitondra ny tetezamita ny taona 2009-2013. Ny kandida natolony no nitondra ny taona 2013-2018. Izy tenany mihitsy no nitondra farany teo, 2018-2023. Raha atao ny tombana, hoy ny tsilalaon-tenin’ny mpanara-baovao izay, dia “Madagasikara tsy mety mandroso!” no niseho. Ankehitriny anefa dia izy izay tsy nahavita afa-tsy “Madagasikara tsy mety mandroso!” izay no mbola sahy mampanantena indray amin’izao fotoana izao fa “Madagasikara tsy maintsy mandroso!”. Efa niaiky ho tsy nahomby mbola sahy mampanantena ihany!
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny