airtel

Politique

11-janv-2022

Politique

Andry Rajoelina "Efa nisy nanatona ahy mba hanapoaka an'Andekaleka"

Sample post image

Nialohavana fipoahana ny fahamaizana. Raha ny firehetana vao fipoahana dia mety nisy maty ireo namono afo. Mirona amin'ny fiheverana fa fandorana niniana natao ny raharaha, ka tsy maintsy atao ny fanadihadiana.

11-janv-2022

 Tsy maintsy ho hita ary tsy maintsy hosaziana, hoy ny Filoha Rajoelina omaly 10 janoary tany Andekaleka. Nambaran-dRajoelina fa tsy vao izao nisy no fikasana hanapoaka an'Andekaleka noho ny sotasota politika. Efa nisy andian'olona nanatona azy, fa raha manome 40 tapitrisa Ar dia vonona hanapoaka an'Andekaleka, saingy tsy nanaiky izany, hoy izy. Ny 2018 no voalaza fa nisian'io saingy mahagaga hoe: nahoana no tsy niteny tamin'ny manampahefana Rajoelina dia nosamborina ireo olon-dratsy?. “Tsy maintsy karohina sy hosaziana izay rehetra nanao ny fanapotehana, ary homena valisoa ireo manome vaovao", hoy Rajoelina. Nanamafy fa 50% hatramin’ny 60% ny fahasimbana ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra ao Andekaleka dia hasomparana . Nambara tetsy andaniny, fa oo am-pamahana ny olana amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ny filàna herinaratra ho an’ny tambazotran’Antananarivo sy ny manodidina dia miasa andro aman’alina ny mpiasan’ny Jirama, amin’ny fametrahana ny milina faha 4 ankoatra ny fanamboarana ny milina iray izay may, sy ny fanalàna ny rano nandifotra ny fotodrafitrasa. Miampy an’io milina io dia hahazo tanjaka hatrany amin’ny 128MW ny milina rehetra raha 200MW ny filàn’Antananarivo manontolo. Vinavinaina ho vita hatramin’ny volana Jona na Jolay ny fanamboarana rehetra. Efa misy tonga any an-toerana ny kojakoja hametahana ny milina faha 4. Afaka 7 na 8 volana dia hivaha tanteraka ny delestazy, hoy ny fampanantenana. Tena sao mba izao no tokony hampiasana ilay vitesy TGV fa ny olana mandrifatra ohatran'ny fiara cadillac-n'ny Filoha kanefa ny vahaolana mihisatra ohatran'ny sokatra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap