Minisitra 16 notarihin’ny Praiminisitra no nanotrona ny Filoha am-perin’asa. Miala any Efaho ary mipaka hatrany Ambovombe Androy io, mandalo tanàna 60 eo ao anatin’ny distrikan’I Taolagnaro, Amboasary Atsimo ary Ambovombe io, ka mponina miisa 500.000 no hisitraka rano fisotro madio, tany fambolena mirefy 80 000ha no ho voatondraka ary hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an’ny biby fiompy. Ity tetikasa ity, izay efa hatrany amin’ny 2020 no niresahany azy sy nilazana fa izao fitondrana izao no hany mahalala sy mijery ny vahoaka any Atsimo amin’ny alalan’io, ka nodiana tsy hita fa efa nosantarin’ny Fanjakana teo aloha mirefy 142km miainga ao Ampotaka mankany Tsihombe, fa ny Fanjakana Rajoelina no nitokana azy tamin’ny jona 2019. Ny an’ny Filoha ankehitriny kosa vao fanombohana dia efa fety be sy kabary politika sy fandokafan-tena mirarakopana. Ankoatra ny lanonana fanombohana ity tetikasa ity, dia nisy ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy. Nambara fa “présence de l’Etat” amin’ny alalan’ny fametrahana asa ilain’ny vahoaka sy manakaiky ny vahoaka no nataon’ny Fanjakana Rajoelina hatramin’ny nipetrahany teo tao anatin’ny 4 taona, ka manantena fa tsy ho adinon’ny olona any Atsimo I Andry Rajoelina, fa fitiavana mivaly fitiavana. Asa maro no natao sy vita, asa goavana no natomboka. Nisy ny fanolorana vola 3,498 miliara Ar ho an’ny kaominina maromaro ao anatin’ny Distrikan’Ambovombe Androy, izay nilazan-dRajoelina fa efa ben’ny tanàna izy, ary fantany fa mila fanampiana, mila tohana hanaovana tetikasa. Ny sasany mbola mampanantena fitsinjaram-pahefana fa ny ahy efa fitsinjaram-pahefana tena izy, hoy izy. Sahiny mihitsy no nilaza hoe: “Kaominina tsy handroso intsony, ary firenena tsy handroso miaraka amin’ny Filoha Rajoelina tsy handroso intsony”, hoy I Andry Rajoelina. Ampahafirin’ny vola an’aliny miliara lalaovin’ny Fanjakana foibe moa ny 3,4 miliara omena ny kaominina ary santionan-javatra sa mahazo avokoa ny kaominina 1695 manerana ny Nosy? Tena sahiny ve ny miteny fa mandroso I Madagasikara amin’ity tahan’ny olona mahantra nitombo 10% latsaka kely niainga hatramin’ny nitondrany ny 2019? Ny vidim-piainana sy ny fitotongan’ny sandam-bola? Ny fitotongan’ny seha-pihariana maro, ny fahapotehan’ny làlana, fahafatesan’ny orinasam-panjakana maro,…
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.