airtel

Politique

13-avril-2023

Politique

Andry Rajoelina Hiezaka hambabo an’Amoron’i Mania indray ?

Sample post image

Hiazo an’Ambositra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 15 aprily izao, izay fiverenana any an-toerana taorian’ny propagandy nataony ny 14 desambra 2018, raha ny fanamarihana.

13-avril-2023

Ny Faritra Amoron’I Mania anefa no fihavian’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sady mpitarika ny Antoko TGV Rtoa Christine Razanamahasoa. Hitokana fotodrafitrasa maromaro, toy ny fonja manara-penitra, Biraom-paritry ny fitalevam-paritry ny asa, Biraon’ny Fitalevam-paritry ny filaminam-bahoaka, EPP manara-penitra, tobim-piantsonan’ny fiara,… ny Filoham-pirenena, raha ny fandaharam-potoana. Hizara bisikileta sy fifanarahana arak’asa ho an’ny mpampianatra ary hizara kits scolaires ihany koa. Zava-dehibe izany, saingy betsaka ihany koa ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka any an-toerana, toy ny lafiny tsy fandriampahalemana, ny fanantenana mba hahavitan’ny làlam-pirenena RN41 mampitohy an’Ambositra sy Fandriana izay tsy tanteraka kanefa isan’ny tena mampitaraina ny maro,… Raha mampahatsiahy, dia tao Ambositra no isan’ny nilazan-dRajoelina fa vao lany izy dia hanafatra helikoptera 10 farafahakeliny ka rehefa misy manafika aty Ambositra dia eo noho eo ihany dia tonga ny helikoptera, hoy I Andry Rajoelina. “Fantatro fa mikaikaika ny vahoaka Malagasy ankehitriny, tsapako izany fa tsy mahantra ny Malagasy fa nampahantraina, marina izany sa tsy marina? Ka mampanontany tena ahy hoe: mbola misy Fanjakana ve eto Madrakasikara sa tsy misy? Marina sa tsy marina? Ekena sa tsy ekena?”, hoy izy. Tamin’izany ihany koa no nampanantenana “puce” asisika amin’ny omby,… Tsara ihany koa ny mampahatsiahy ny kabary politika nampiady hevitra nataon’ny Filohan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa Rtoa Christine Razanamahasoa, izay toa nametraka fepetra hoe: omeo anay ny toeran’ny Praiminisitra sy minisitra am-polony dia omenao anay ny vatonay. Mbola ho resin’I Andry Rajoelina lahatra ve ny any Amoron’I Mania eo anatrehan’ny zava-misy iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao? Inona indray no fampanantenana handeha sy fivoaram-piainana hotanisaina taorian’ny 5 taona nitondrana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap