Isan’izany ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an’ireo olompirenena tsy afaka nisitraka izany tany am-pahaterahana na “enregistrement rétroactif des naissances” sy ny fanomezana karam-panondrom-pirenena ho an’ireo feno taona. Eo koa ny fanasana ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana amin’ny ankapobeny manerana izao tontolo izao. Hatao any New York, Etazonia, ny 16, 17 ary 19 septambra 2022 izao moa izany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby