airtel

Politique

03-août-2021

Politique

Andry Rajoelina Izao aza tsy tafavoaka mainka fa 2023…

Sample post image

Sarotra ny haminavina ny ho tohin’ny toe-draharaha politika mifamahofaho eto amin’ny tany sy ny Fanjakana amin’izao fotoana izao.

03-août-2021

Tsy azo lavina kosa fa sahirana tanteraka ny Fitondrana Andry Rajoelina, tsy mahavaha olana, misavoritaka ambony ambany, manangam-pahavalo,… ary sarotra aminy ny fivoahana amin’io. Mihena dia mihena ny taham-panohana sy fankasitrahana na ny « côte de popularité » ho an’i Andry Rajoelina, ary nihazakazaka ny fitotonganana, kanefa toa mbola namaky ady ankolaka tamin’ny Fiangonana. Filoha ara-dalàna (légal) fa tsy ara-drariny (légitime) raha zohiana amin’ny zava-nisy niainga tany amin’ny fifidianana 2018, izay niteraka adihevitra be ny fahalaniany, indrindra fa taorian’ny raharaha « doublon ». Isan’ny mety tsy ahafahan-dRajoelina tena mikitika sy manaisotra ny Praiminisitra sy ny minisitry ny atitany ankehitriny, ny nananan’ireo andraikitra lehibe mivantana na ankolaka tamin’ny fifidianana. 2,5 tapitrisa teo no azon’i Andry Rajoelina, ary 2 tapitrisa teo ny an’i Marc Ravalomanana, izay tsy nanana olona tao anatin’ny fiantsorohana ny fifidianana. Midika zavatra be izany, ary mampiseho ny lojikan’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politikan’i Andry Rajoelina aty aoriana, rehefa nandeha ny fitantanany. Nandiso fanantenana, tsy misy zavatra tena mandeha ny ara-toekarena sy sosialy, kisadasada ny laharam-pahamehana, lasa miala bala lava amin’ny valanaretina covid-19,…. Henjana ny fanenjehana an’I Hery Rajaonarimampianina kanefa raha ny fanadihadiana ara-toekarena dia 5,2% ny harin-karena faobe napetrany, maro ny fotodrafitrasa lehibe toy ny fitarihan-drano tany Atsimo, ny fanitarana ny seranan’Ivato, ny fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina, ny famokarana herinaratra lehibe any Farahantsana,… raha fotodrafitrasa no ifandrefesan’ny teo aloha sy ny ankehitriny. 8% mahery kely anefa ny isam-bato azon-dRajaonarimampianina. Firy isan-jato izany no mety ho azon-dRajoelina amin’ny harin-karena -4% sy ny krizy ara-toekarena sy sosialy amin’ny endriny maro ? Ny lojika politika dia sarotra ho an-dRajoelina ny hiatrika ny hieritreritra ny ho lany indray ny 2023 raha tsy hoe hisy ny fahagagana. Ny fivoahana amin’izao krizy misy izao sy ny fahavitana fe-potoana iasana aza mitady hanalasala !

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap