airtel

Politique

06-sept-2021

Politique

Andry Rajoelina “Kianja hiarovana ny voninahi-pirenena ity”

Sample post image

Tontosa ny sabotsy 4 septambra lasa teo ny fitokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny Kianja Barea Mahamasina notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoalina.

06-sept-2021

 “Mila manana fijery lavitra isika, mila fijery goavana isika. Ary tokony ho saro-piaro isika rehetra amin’ny fikojakojana ity fotodrafitrasa lehibe ity. Eto no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena, eto no kianja hampiray fo, hampiray saina ny vahoaka Malagasy”, hoy ny Filoha ankehitriny. Ny firariana, hoy hatrany ny filoha, dia ny hiray hina ny vahoaka Malagasy iray manontolo hikatsaka ny fampandrosoan’i Madagasikara. Nambaran’ny filoha fa hiarovana ny voninahi-pirenena, saingy faharesena no nisantarana azy, izay mety misy antony avy aminy manokana na avy amin’ny fitondrana. Nisy ihany koa ny taratasy fisaorana manokana nataon’I Andry Rajoelina. “Tontosa soa aman-tsara ny lanonana nitokanantsika ny Kianja BAREA Mahamasina. Nankasitraka ny rehetra, toy ny mpilalaon'ny BAREA sy ireo mpanakanto, ireo mpitandro ny filaminana, ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny tao amin'ny Minisiteran'ny Fanatanjahantena, ireo mpanao gazety, ny haino aman-jerim-panjakana (TVM sy RNM) sy tsy miankina izay niara-nifarimbona tamin'ny fampitana mivantana ny fankalazana, ireo teknisiana rehetra ary fanatontosana iny fankalazana manetriketrika I Andry Rajoelina. “Isaorako manokana ny filaminan'ny vahoaka nanatrika, tsy ny avy eto an-drenivohitra ihany, fa ireo tonga maro avy any amin'ny Faritra 23, ireo Ampanjaka sy Raiamandreny, sady nanome voninahitra iny lanonana iny, ary nanaja ireo fandaminana rehetra napetraka”, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Nambara fa misokatra ary napetraka ho an’ny Malagasy rehetra ny Kianja BAREA Mahamasina, izay fananana iombonana no sady fananam-pirenena. lo no kianja hiarovana ny voninahi-pirenena, hampiray fo sy hampiray saina ny vahoaka Malagasy rehetra. ireo rehetra izay niara-nisalahy tamin'ny Ny Filohan'ny Repoblika, hoy i Andry Rajoelina. Vita ny fihetsiketsehana nandaniana vola tsy toko tsy forohana fa ny sosialim-bahoaka sy ny fanarenana ara-toekarena aloha dia baraingo hatrany ?


Isan’ny niteraka fanamarihana sy kiana ho an’i Andry Rajoelina kosa ny endrika toa naneho fanavakavahana. Tao anatin’ny kisary nataony misy ny sary famantarana ireo faritra kosa dia ny 22, fa tsy 23, izany hoe voahilika ny faritra Vatovavy na izy tenany izao aza no nitarika ny lanonana sy fanaovan-tsonia ny fananganana izany teny Iavoloha ny 10 aogositra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap