airtel

Politique

30-avril-2024

Fa inona ity nambaran-dRajoelina?

“Afaka 20 na 30 taona raha betsaka dia ho foana ny tsy fanjarian-tsakafo eto”

Sample post image

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

30-avril-2024

International Development Association) andiany faha-21 eo ambany Fiahiahin’ny Banky Iraisam-pirenena, tanterahina any Nairobi Kenya. Tahaka mahazatra, nandeha ny pi-maso hahazoana famatsiam-bola. Anisany ny fiovaovan’ny toetr’andro, tena tena mafy sy manimba zavatra maro, ka marefo ny vahoaka. Nitanisa ny voka-dratsin’ny Gamane, toy ny làlana maro simba, tanimbary potika,… ny tenany ka nilaza fa ny rivo-doza iray dia maharitra 3 taona eo ny fanarenana. Betsaka ihany koa ny vahoaka miaina anaty hanohanana sy ny ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahatratra 216 tapitrisa aty Afrika ka io no isan’ny lohalaharana mahafaty ny ankizy latsaky ny 5 taona. Niantso fa tena miatrika ady handresena ny fahantrana aty Afrika noho izany I Andry Rajoelina, ka nilaza fa tena mila fanohanana ara-bola ny fiatrehana an’izany. Nanao fampitahana mihitsy aza ingahy Filoha fa misy ny fandaniana volabe amin’ny ady izay mamotika eto ambonin’ny tany, toy ny nilazany fa 2,4 miliara dolara eo ohatra ho an’ny ady any Ukraine. Mandany an’izany amin’ny fitaovam-piadiana isika fa mba mandany ohatrinona amin’ny famonjena ain’olona aty amin’ny Kaontinanta Afrikanina? Hoy I Andry Rajoelina. Niantso ny hampitomboana ny famatsiam-bola hiadiana amin’ny hanohanana aty amin’ny kaontinanta Afrikanina noho izany ny tenany, niantso ny hitadiavana vahaolana mahomby, toy ny tranga any Atsimon’I Madagasikara. Naneho fa hatry ny nitondrany, dia nitondra vokatra miabo eo amin’ny firenena noho ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny IDA, nampihena ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka niainga 42 ary 38% amin’izao. Tena resy lahatra aho fa afaka 20 taona na 30 taona farafahabetsany, dia ho foana ny tsy fanjarian-tsakafo eto, hoy I Andry Rajoelina. Tena mila taom-piasana 4 na 6 amin’ny dimy taona ve vao handresy ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hanohanana? Adala sy niteniteny foana ve izany ny Filohan’I Rwanda Paul Gagame raha nametraka fanamby tao anatin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus nametraka fanamby fa tsy maintsy mahavita tena ara-tsakafo hatramin’ny 2025 izy ireo satria tsy azo ekena hoe: I Ukraine tsy manana afatsy mponina 44 tapitrisa no hamelona an’I Afrika manana mponina 1,6 miliara? Hain’I Andry Rajoelina ny mitanisa fa mandany amina miliara dolara ny vazaha amin’ny ady fa mba manao ahoana ny famonjena ain’olona aty Afrika fa moa mba araka izany firesany izany ve ny laharam-pahamehany amin’ny firenena? Moa tsy 8% amin’ny tetibolam-panjakana no miompana amin’ny fambolena sy ny famokarana? Moa tsy kirendrarendra no handaniana volam-panjakana mirarakopana, raha tsy hilaza afatsy kianja manara-penitra, teleferika, monument, Tanamasoandro,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap