airtel

Politique

30-avril-2024

Fomba vaovao fanaovana politika

Mangarahara no sady manara-dalàna hatrany

Sample post image

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

30-avril-2024

Antananarivo I ho an'ny kolektifa an'ny malagasy tarihan'i Toavina Ralambomahay ( humaniste et ecologiste) sy Anja Naivohanitriniaina (MTS). Toy izany ihany koa ny mpitambola na trésorier. Eto no ahitana fa tsy mora ny toe-draharaha tsy maintsy atrehina satria samy tsy maintsy manana mpitam-bola izany na ny antoko, na ny kandidà. Tsapa ihany indraindray fa toa korontana be, sarotra sy miodinkodina be ny lalàna, na izany aza dia arahina. Noho izany rehetra izany dia nametraka fehinkevitra hanovana lalàna ny humaniste et ecologiste ka nanatitra ny antontan-taratasy momba izany teny amin'ny foiben'ny CENi Alarobia amboniloha. Efa neken'ny CENI moa ilay soson-kevitra nentin'io antoko io tamin'ny alalan'i Jimmy Andriamamy Tiana, mpanolotsain'ny tanàna ao Bemasoandro sy Toavina Ralambomahay, mpanolotsaina eo anivon'ny kaominin'Antananarivo renivohitra . Voalaza ao ny hoe tokony atao eo amin'ny bileta tokana ny sarin'ny kandidà ben'ny tanana sy lohalisitra mpanolotsaina satria samy kandidà. Setrin'izany angamba nol naneken'ny CENI hoe atao eo amin'ny bileta tokana avokoa ny sarin'ny kandidà solombavambahoaka miisa 2. Farany dia mangarahara ny resaka ho an' ireto kandidà ireto satria dia nambara ampahibemaso koa fa 10.040.000 Ariartno voaangon'ny humaniste tamina tsipaipaika an'olon-tsotra ka ny kolektifa an'ny malagasy , anisan'izany ny antoko ARB no nanampy tamin'ny fandoavana ilay anto-boka 20 tapitrisa ariary.
Nangonin'i RTT
Légende : Fanolorana ny anaran'ny mpitam-bolan'ny kandida teny amin'ny OVEC
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap