airtel

Politique

13-janv-2025

Andry Rajoelina

Manamafy ny fianteherany amin’ny tafika !?

Sample post image

Toy ny isan-taona, nomarihina omaly 12 janoary ny andron'ny Manamboninahitra eo anivon’ny

13-janv-2025

Foloalindahy malagasy manerana ny Nosy. Araka ny tantara niandohany dia fitakiana avy amin'ny andiany mivantana voalohany avy ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny marainan'ny 12 Janoary 1968, izay nitaky fanatsarana ny kalitaon'ny Sekoly, ka tamin'ny alalan'ny fomba fitafy marolafy no nanehoan'ny mpiray andiany azy tamin'izany, ary lasa soatoavina mipetraka eo anivon'ny Miaramila, indrindra ireo Manamboninahitra mivoaka avy amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe mandraka ankehitriny. Natolotra nandritra ity fankalazana ity ireo fotodrafitrasa hanamafisana ny traikefa eo amin’ny haiady sy ny fanatanjahantena teo anivon’ny Fitaleavan'ny Fiarovana sy ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary ny fanehoana ny fanamiana vaovao na ny "tenue de parade". Nanamarika an’io andron’ny manamboninahitra io toy ny fanaony ny Filoham-pirenena izay sokajiana ho Filoha farantampon’ny foloalindahy moa, raha ny famaritana. « Manana anjara lehibe amin'ny fametrahana ny fiandrianam-pirenena, ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fiarovana ireo andrim-panjakana ny foloalindahy », hoy i Rajoelina Andry. Anaty fitiavana sy firaisam-po ny fanatontosana ny andraikitra ankinina amin'izy ireo, hoy hatrany ingahy Filoha naneho ny fahatokisany ny foloalindahy. Misy dikany sy lanjany lehibe ara-politika ny nilazan’i Andry Rajoelina fa manana anjara amin’ny fiarovana ireo andrim-panjakana ny foloalindahy, ary tsapa hatrany ny karazana pimaso hatrany amin’ny tafika eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny Firenena, indrindra fa ny lafiny ara-politika, toekarena, ary sosialy,… Manamafy fa isan’ny ianteheran’ny Fitondrana Rajoelina hahafahana mifehy ny toe-draharaha ny foloalindahim-bahoaka !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap