maneran-tany na ny WGS (World Governements Summit) tanterahana any Dubaï I Andry Rajoelina izay mitarika delegasionina maro any an-toerana, ahitana mpikamban’ny governemanta maromaro. Nizara ireo ezaka efa natao sy ny vinany ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara mifanindran-dalana amin'ny fivoaran'ny haitao ara-kajy mirindra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny lahateny, hoy ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika. Mitohy ny asa efa natomboka tamin'ireo sehatra laharam-pahamehana, dia ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana, ny indostria, ny angovo, ny fahasalamana sy ny fanabeazana,... hoy hatrany ny fanapariaham-baovao. Nosoniavina noho izany, ny fifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin'i Émirats Arabes Unis momba ny fametrahana ny "Digital school" sy ny "coders initiative" ka tanora hatramin’ny 1 tapitrisa no hisitraka fampiofanana momba ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra, hoy ny tatitra. Andrasana indray izany ny vokatra entin’izany satria ny hita hatramin’izay dia ny serasera no mipoapoaka rehefa misy dia any ivelany, fa ny vokatra tsy tena hita taratra firy. Tanisaina ny ambara fa fampitoboroboana ny indostria, ny angovo, ny fanabeazana,… fa ny tena zava-misy eto anefa rotiky ny delestazy ny orinasa maro, mitaraina ny orinasa afak’haba fa tsy naloan’ny Fanjakana ny volany 71 miliara Ar eo ho eo, ny fambolena sy fiompiana ambanin-javatra any anaty tetibolam-panjakana, ny resaka fampianarana dia ny dabilio aza nanaovana tsapan-kevitra amin’ny resaka tsipaipaika,… Tsikaritra ho manao pimaso mafy amin’ny arabo, rehefa somary marisarisa amin’ny Tandrefana ! Raha hampatsiahy fiaraha-miasa amin’ny Arabo izay toa itadiavan’ny mpitondra làlana mafy anefa dia mitsefotra hatreto ny tetikasa Fly Over iandrasana famatsiam-bola 20 tapitrisa dolara avy amin’ny BADEA na ny Banky Arabo momba ny fampandrosoana aty Afrika, tsy hita izay tena fivoaran’ny tetikasa « Autoroute » iarahana amin’ny SAMCRET Ejiptianina,… Dia miandry izay ho fahatanterahan’ireo zava-baovao nanaovana serasera sy ireo mbola horesahana indray izany e !
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby