airtel

Politique

27-mars-2023

Politique

Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray

Sample post image

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

27-mars-2023

Ny 70% amin’ny vahoaka malagasy dia ianareo tanora latsaky ny 25 taona, hoy izy. Fantatro fa misedra olana ianareo. Tsapako ny tebitebinareo, ny fahasahirananareo isan’andro. Efa niainako ihany koa izay niainanareo. Mankahery anareo ny tenako, hanohana anareo ary izany no antony nijoroako teto amin’ny CCI Ivato niaraka tamin’i Eric Célérier sy i Paul Marc Goulet mba hampita aminareo ireo soatoavina tsy miantsy hananana mba hahatafita. Hahatafita ny fiainanareo tanora ka ho entinareo hahatafita ity firenena mamintsika ity dia ny fitiavana, ny finoana, ny fahasahiana, ny fankasitrahana, ny fahitsiana, ny fanetren-tena, ny fanoloran-tena ary ny fifamelana. Aza mora kivy ry tanora. Mila manova toetsaina isika mba hitondrantsika fanovana eto amin’ny firenena. Sahia mamaritra ny hoavinareo sy manoritra ny lalanareo. Eo anilanareo mandrakariva ny tenako ary ankinintsika amin'Andriamanitra hatrany izay rehetra ataontsika, hoy hatrany ny tenany.
AHOANA TSARA HOE E ?
Hatraiza ny fitiavan’ny filoham-pirenena ny tanindrazana sy ny vahoakany? Finoana an’iza sa finoana inona izany no tiany nampitaina tamin’ireo tanora, raha toa ka izy no filoham-pirenena tsy nianiana voalohany tamin’ny baiboly? Hatraiza ny fahasahiana hananan’ny filoha izany mba hanavotana ity firenena ity raha toa ka maro amin’ireo mpikambana anaty governemanta fotsiny, hatramin’ny praiminisitra, ohatra, no efa mampiaiky ny maro fa mbola mitaiza antsika hilona anaty fahantrana hatramin’izao kanefa dia tsy sahin’ny filoham-pirenena kitihina mihitsy? Sao dia ny filoham-pirenena no sanatrian’izany no sahin’ireo manodidina azy atao tsinontsinona ka na dia mbola tsy teto an-toerana aza izy dia nisy fanendrena minisitra vaovao sy fanesorana minisitra taloha? Fankasitrahana sa fanakonana ny zava-bitan’ny teo aloha no tena talentan’ny filoha ankehitriny sy ny fitondrany, raha toa ka ny soratra hoe Gara Fisandratana aza nofafana? Aiza izany fahitsian’ny filoham-pirenena izany manoloana ny volamena nivadika vy sy ny raharaha voamboana naha voarohirohy ny depiote sasany manodidina azy? Fanetren-tena sa werawera no hilazana ity pika sary tsy misy farany hatramin’ny mizara “riz cantonais” ity? Nanolo-tena ho an’I Madagasikara sa ho ana firenen-kafa ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny? Aiza ho aiza amin’ny fanenjehana sy fanagadragadrana ireo mpitsikera izao fitondrana izao sy fahavalo politikan’ity fitondrana ity toa an-dry Berija, Mbola Rajaonah, Stanley sy ny tariny rehetra moa izany no antsoin’ny filoham-pirenena hoe “Fifamelana”? Santionany ihany izany fanontaniana rehetra izany ary ny hirariana dia ny hoe enga anie mba tsy ho fampianaran-diso indray no nomena ireo tanora nanotrona ny filoham-pirenena tamin’iny sabotsy iny!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap