Herintaona sy 9 volana aty aorian’ny fotoana nilazana fa hanaovana an’io fampahafantarana io izany vao tena raikitra izy ity. Efa nisy ihany ny PEM Sud natao ny volana jona 2021 tany Taolagnaro, ny fomba firesaky ny Fanjakana milaza fa efa mihatra sy mandeha ny PEM, saingy ny mahagaga aty amin’ny oktobra 2022 vao hoe: hampahafantarina ofisialy. Karazana drafitra hoenti-manatanteraka ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana io, kanefa aty amin’ny herintaona sisa hitantanan’ny Fanjakana Rajoelina vao hoe: hampahafantarina. Ny volana febroary 2022 moa no nanao antso tolo-bidy nitady manam-pahaizana na “consultant” handahatra ny laharam-pahamehana anatin’ny PEM ny Fanjakana izay toa mandiso tanteraka sy manaporofo fa lainga sy abobo ilay filazana fa efa niomana 4 taona ka ny fahatongavana eo amin’ny seza no ela dia hihazakazaka ny fandrosoan’I Madaagasikara. Ny somary manaitra ihany koa dia hoe: “plan décénale” izay raha azo hadika tsotsotra dia drafitra ao anatin’ny 10 taona. Miheritreritra ve ny Fanjakana ankehitriny fa mbola ho izy no hitondra ao anatin’ny 10 taona manaraka? Io ve izany no nivoizana fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra eo vao handroso ny firenena. Mifanohitra tanteraka amin’ilay nambara fa ny tsy vita rehetra tao anatin’ny 60 taona no hovitaina 5 taona. Toa mitady hivadika indray hoe: ny tsy vita tao anatin’ny 5 taona hatao ao anatin’ny 10 taona? Isan’ny baraingo ny hoenti-manana amin’ny fanatanterahana sa nahita famatsiam-bola ny Fanjakana? Raha mampahatsiahy, nisy ny dinika niarahan’ny Fanjakana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na PTF ny 15 febroary 2021, ka tao anatin’izay no niresahan’ny Praiminisitra fa ny PMDU (Plan Multisectoriel D'urgence) no drafitra hitondrana ny firenena hatramin’ny jona 2021, ary manaraka ny PEM aorian’izany. Raha halalinina amin’io, teo izany dia efa karazan’ny voatsipaka am-bavafo ny PEM izay natolotry ny Fanjakana. Mandrak’ity ny androany, mbola drafitra ambony latabatra, raha efa tany amin’ny roa taona lasa no nolazaina fa vonona. Mbola ho resy lahatra amin’ny fampanofinofisana mandavan-taona ve ny vahoaka?
EFA FIOMANANA AMIN’NY PROPAGANDY
Akaiky ny fifidianana ka dia mikofokofoka, toa mivadika ho programan’asa handresen-dahatra ny olona amin’ny propagandy tahaka ilay IEM (Initiative Emergence Madagascar) izay toa anarana sisa tsy maty sisa ity PEM ity. Porofo miharihary fa tsy niomana hitondra firenena fa niomana handrombaka fahefana fotsiny Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany. Miharihary ny tsy fahaizana mitantana ny firenena: krizy mandavan-taona I Madagasikara. Fivarotana nofinofy sy seho ivelany no hany politika hitantanana ny firenena, ary mbola miezaka manabado vahoaka amin’izany. Firifiry moa ireo zavatra nampanantenaina nambara fa tsy maintsy hanomboka ny faran’ny taona 2020, 2021 no nandeha sy vita? Ny resaka toekarana, sosialy,… moa io iaraha-mahita io ny tsy fahombiazany.
Toky R
Hita ho tafahaona sy tafaresaka teny amin’ny foibem-pirenena momba ny teny an’ny Akademia malagasy eny
Ao anatin’izao fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy izay tena hita taratra amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka izao,
Nosokafana omaly ary hifarana ny zoma izao ny fampiofanana ireo ben’ny tanana vehivavy mikambana eo anivon’ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna vehivavy eto Madagasikara.
Isan’ny olana sedraina eny anivon’ny kaominina ny olana ara-bola, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Anosizato sady filohan’ireo fikambanan’ny ben’ny tanàna vehivavy, Andriambololona Laurence.
Namoaka didy manome baiko ny vadintany rehetra ny Prefen’I Toamasina Atoa Ambinitsoa Jean José ny 09 martsa teo,