airtel

Politique

01-févr-2022

Politique

Andry Rajoelina Propagandy vita ny fizarana vatsy tsinjo…

Sample post image

Raikitra ny fizaran’ny fanjakana Vatsy Tsinjo ho an'ireo tokantrano traboina ho an'ny boriborintany voalohany sy fahatelo eto Antananarivo nanomboka omaly 31 janoary 2022,

01-févr-2022

 izay notanterahina tao amin'ny Kianja Alarobia sy Kianja Maki Andohatapenaka. Niditra an-tsehatra nanao izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny nanomboka ny fizarana ireto fanampiana ireto ary indrindra nitondra ny teny fankaherezana ho an'ireo fianakaviana tra-pahasahiranana noho iny andro ratsy iny. Nambaran'ny Filoha Andry RAJOELINA fa ankoatry ny Vatsy Tsinjo dia hisitraka Tosika Fameno mitentina 100.000 ariary avy ireto tokantrano traboina ireto. Traboina miisa 1018 avy amin'ny boriborintany voalohany sy 683 avy amin’ny boriborintany fahatelo no nisantatra ny fizarana ireo fanampiana ireo, ary nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hisitraka izany avokoa ireo kaominina sy fokontany rehetra niharam-boina. Ho voarakitra ao anaty karinem-pokontany vaovao misy QR code avokoa ireo fanampiana azon'ny tokantrano tsirairay, hoy ny fanazavana. Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa fa tsy maintsy hatao ny fanarenena farany haingana ireo fotodrafitrasa rehetra rava noho iny rivo-doza iny, ary hiantsoana ny fiaraha-mientan'ny tsirairay izany. Izao izany ilay hoe ny adidy amin’ny traboina sy ny eny ambany tanàna vita, ny propagandy sy fampalazana tena mandeha ihany Zava-dehibe ny fitsinjovana ireo traboina, saingy adino ny zava-drehetra, toa tsy misy raharaham-panjakana mandeha eto fa dia resaka voina aloha no mibahan-toerana sy lasa programan’asam-panjakana. Toy ny tsy misy tompon’andraikitra tena hiantsoroka an’izany, fa olona iray ihany no ezahina hasongadina sy miantsoroka ny zava-drehetra etsy sy eroa. Ny Fanjakana dia naneho, fa manana 35 tapitrisa ambin’ny 50 tapitrisa dolara ambin’ny fanampiana iraisam-pirenena saingy ny anaran’ny Filoha mivady no toa ezahina hankalazaina sy hampalazaina amin’izany. Ezahina hatao ho hahatsiarovana sy hanohanana an-dRajoelina ity resaka fizarana fanampiana miainga amin’ny volam-panjakana sy fanampiana iraisam-pirenena ity satria na ny karinem-pokontany nambara hiraketana izany aza moa efa natao mitondra ny loko volomboasarin’ny MAPAR sy ny mavokelin’ny Fikambanana Fitia.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap