airtel

Politique

09-mai-2022

Politique

Andry Rajoelina Tia manamaivana sy manambany ny hafa

Sample post image

Herinandro mahery izay no nanehoan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa tena nametraka ho laharam-pahamehana ny fampianarana ny zaza Malagasy izy, nianatra ny 92% amin’ny zaza Malagasy,…

09-mai-2022

Nisy moa ny famatsiam-bola mazava isan-taona avy amin’ny Fanjakana Norvezianina izy izay, mitentina 100 tapitrisa dolara isan-taona nahafahan’ny Fanjakana Ravalomanana tena nampitovy ny zaza Malagasy tamin’ny lafiny fampianarana, ka novatsiana fitaovana tsy tapaka, fa tsy santionan-javatra hanaovana serasera mipoapoaka. Somary naherihery ny fanehoan-kevitra nataony herinandro mahery izay, fa tsy sekoly manara-penitra 300 na 500 no hireharehana, fa nametraka ary nahavita lavitra betsaka noho izany izy nanerana ny Nosy, raha ny nambarany. Tonga ihany koa tetsy andaniny ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filoha Rajoelina, miresaka sekoly sy fampianarana. Nanamaivana tanteraka indray ireo Filoha nifandimby hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. “Miisa 510 ny isan’ny sekoly fanabeazana nitsangana nanerana an’i Madagasikara nanomboka tamin’ny nahazoana fahaleovan-tena. 480 tamin’ireo dia natsangantsika tao anatin’ny fe-potoana nitondrantsika tao anatin’ny telo taona ho an’ny ankizy sy ny tanora Malagasy”. Miisa 30 monja ve izany ireo sekoly vita tao anatin’ny 62 taona? Hafahafa hatrany ny fanehoan-kevitry ny Filoha ankehitriny k asa hoe: tsy fahaizana sy tsy fahalalana ve sa tena minia jamba ?

Toky R
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap