airtel

Politique

13-oct-2023

Andry Rajoelina

Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana

Sample post image

Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana ny Kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina,

13-oct-2023

raha ny nambarany omaly. Nilaza fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana izany satria ny lalàmpanorenana no namaritra ny datin’ny fifidianana. “Isika dia mandala ny ara-dalana hatrany. tsy mitombina ny antony voalaza hanemorana fifidianana. Ireo kandida hafa no tara “départ” satria varina nitarika olona teny an-dalambe”, hoy I Andry Rajoelina tany Ambaja omaly. Nilaza hanohy ny fanaovana propagandy, ka anio dia ho any Port Bergé ary sabotsy any Fianarantsoa. Rehefa amin’ny heveriny fa tombotsoa politikany, dia hain’I Andry Rajoelina no mitanisa lalàmpanorenana sy lalàna, ka na iaraha-mahita aza ny loza mandindona ny firenena eo anatrehan’ny amboletra politika hanatanterahana fifidianana tsy azo antoka sy ahiana ho efa misy hosoka goavana kotrehina dia teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza. Hain’Atoa Andry Rajoelina ny mitanisa lalàmpanorenana rehefa misy zavatra tsy metimety aminy, kanefa raha mpitondra nandika an’io angamba dia izy ireo no sangany, raha tsy hilaza afatsy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy 2018 fotsiny. Angaha tsy didy tsy azo ivalozana indray ny didin’ny HCC izay nanemotra an’io sa mandeha ny sinema politika ka mody holalaovina avy eo hoe: isika manara-dalàna, mandefitra, hajaina ny didin’ny HCC? Angaha koa moa ireo Firaisankinan’ny kandida efa nilaza sy naneho fa mankasitraka sy afa-po 100% amin’io fanapahan-kevitra io? Tena izay ve no takiany sa fanadiovana ny fifidianana sy fiverenana amin’ny tany tan-dalàna, fa indrindra ny fiandrianam-pirenena hanoherana ny fikatsahan’ny vazaha taratasy hanao amboletra hitondra an’I Madagasikara?
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap