airtel

Politique

30-mars-2021

Politique

Andry Rajoelina “Tsy nitsahatra nanoro hevitra ahy ny Filoha Ratsiraka”

Sample post image

“Very olomanga ny firenena. Tsy filoha teo aloha fotsiny no mandao, fa ny endrika isehoan’ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambopom-pirenena”,

30-mars-2021

 

 

 hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly nandritra ny fanaovam-beloma farany ny Amiraly Didier Ratsiraka teny Iavoloha. Tsy zoviana amin’ny rehetra izy, 50 taona no niainany ny politika. Nanangana ny oniversite 6,Lisea isany ny fivondronana, SAFF isaky ny firaisana , SFF isam-pokontany, ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, ny kianjan’i Mahamasina, ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka,… Niroso tamin’ny fitsinjaram-pahefana, izy no nanafaka an’i Madagasikara tao anatin’ny “zone franc”, filoha voalohany nahasahy nitaky ireo Nosy Malagasy. Nilaza tsiambaratelo, nilaza tamiko fa niady irery taty aoriana, nahatsapa ho toy ny hazo tokana tsy mba ala, ary nandrisika hoe tsy mora io, fa tohizo, hoy i Andry Rajoelina. Ny zavatra tsapako, dia hatramin’ny ora farany dia ny fandrosoan’ny firenena no noresahiny. Sarotra amiko no hino hoe: ny Amiraly izay niresaka tamiko alina, tamin’ny 10 ora latsaka fahefany alina. Mbola tomady tsara, tsy feon’olona marary no niresaka tamiko talohan’ny nahalasany. Niresaka tetikasa fampandrosoana mila hapetraka, ady amin’ny coronavirus, resaka vaksiny ,Tsy nampino ahy hoe olona niresaka tsar atamiko ny alina dia lavo ny maraina, hoy ny Filoha. Tsy nitsahatra izy nanome torohevitra sy torolalana, hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Izy mirahalahy mianaka ireo izay karazan’ny niara-dàlana hatrany tamin’ny resaka politika, ary azo ambara ho nifankahazo am-po tokoa.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap