Hiara-hiasa isika mba ho taonan’ny fandresena tokoa anie ity taona ity”, hoy ny Filoham-pirenena raha nandray ireo Mpikambana avy amin’ny andrim-panjakana samihafa izay niarahaba azy noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2023. Tam-pitiavana no nandraisanay mivady ireo firariantsoa rehetra avy amin’ireo andrim-panjakana, rafitra sy sampan-draharaha maro ary fikambanana sy mpiara-miasa tonga niarahaba anay teto Iavoloha, hoy ny Filoha tao amin’ny tambajotran-tserasera, ary naneho fa vonona ny rehetra ho an’ny taona 2023. Teo ny avy amin’ny Parlemanta roa ka nisy ny nampanantena tahaka ireo loholona fa dia tena vonona tanteraka ny hampandany indray an-dRajoelina amin’ny fifidianana 2023 fa tsy miala aminy. Manana tamberiny aminy rahateo moa ireo izay 90 avy amin’ny antokony na ny notendrena na ny nofidiana. Tena araka ny eritreritry ny Filoha sy ny mety ho araka ny fomba firesak’ireo manodidina azy ve anefa ny ho endri-javatra hiseho amin’ity 2023 ity? Ankoatra ireo parelemantera, toy ny mahazatra dia tonga niarahaba ny Filoha ireo avy amin’ny andrim-panjakana samohafa, toy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny Vaomieram-pifidianana CENI, ny Mediatora, ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara na ny CSM , ny komity miaro ny fahamendrehana (CSI), ny BIANCO, ny SAMIFIN, ary ny ARAI.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby