politika Anjomara sy rivo-baovao na ARB, Andry Raobelina, omaly, avy nanatitra ny antotan-taratasim-pilatsahan-kofidiany. Ny sasany, hoy izy, afaka mivory na aiza na aiza. Ny sasany sakanana. Efa mandeha daholo ny kolikoly avo lenta. Iaraha-manana ity firenena ity. Tokony apetraka voalohany ny tombontsoam-pirenena. Nanasonia ny tsy fanekena ny filatsahan-kofidian’ny filoham-pirenena ankehitriny izahay satria mazava tsara ny lalàna. Nangataka zom-pirenena frantsay ny filoha ankehitriny. Rehefa azony izany dia nanary ny zom-pirenena maha malagasy azy. Ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara mihitsy no potika. Entina vazaha frantsay isika nefa i Frantsa no nanjanaka antsika malagasy. Ny raiamandrenibentsika nitolona tamin’ny 1947 ve izany matimaty fotsiny? Mampalahelo! Raha mametraka firotsahan-kofidiana ny filoham-pirenena ankehitriny dia mazava ho azy fa tokony hisy fanambarana iombonana hivoaka ihany eo fa ho itantsika eo. Ankoatran’izay, isan’ny sivana amin’ny kandida filoham-pirenena moa dia misy andininy iray tsy dia voaresaka mihitsy ao. Misy soratra ao hoe tokony hipetraka eto an-tanindrazana 6 volana mialohan’ny fanaterana antotan-taratasy toy izao ny kandida ho filoham-pirenena. Mody 6 volana mialoha eto an-tanindrazana izany raha mipetraka any ivelany fa tsy tokony hivoaka eto kosa raha mipetraka eto ao anatin’izay 6 volana izay. Gaga izahay fa misy kandida toa mivoaka ihany, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia