airtel

Politique

11-sept-2023

Politique

Annick Ratsiraka Manentana ny Malagasy handray an-tanana ny hoaviny

Sample post image

Manohy ny fitetezam-paritra mihaona sy mifampizara ny vinan'ny Arema, Rtoa Annick Ratsiraka, Sekretera

11-sept-2023

nasionalin'ity antoko naorin'ny Amiraly Didier Ratsiraka ity. Tany Antsiranana izy ny herinandro lasa teo, nitafatafa tamin'ireo kamarady Arema sy ny mponina tao an-toerana. Tamin'izany no nanentanany ny Malagasy handray an-tanana ny hoaviny. Novantaniny fa tsy maintsy iadiana io fahantrana io ary atao izay haha firenena matanjaka an'i Madagasikara amin'ireo harena ananany ka tsy ho faha-5 avy any aoriana intsony fa mba ho anatin’ny firenena 5 voalohany matanjaka. Tamim-pahasahiana ihany koa no nilazan'i Annick Ratsiraka fa tsy mbola nisy "ady" ka tsy nandresen'ny Arema. Tsy miara-miasa sy mifanome tanana anefa hoy izy ny rehetra, ny raiamandreny, ny manampahaizana, ny tanora, sns satria firenena iombonana i Madagasikara. Koa mila fohazina ny Malagasy, hanova ny tantaran'i Madagasikara. Kandida faharoa tonga nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana i Annick Ratsiraka, saingy nolavina noho ny tsy fahampian’ny dosieny.
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap