airtel

Politique

13-janv-2025

Antananarivo Renivohitra

Andrasana amin’ity herinandro ity ny voka-pifidianana…

Sample post image

Andrasana amin’ny faran’ity herinandro ity na farafahatarany amin’ny heriny anio ny voka-pifidianana eto amin’ny Faritanin’Antananarivo.

13-janv-2025

Ny 20 desambra no namoahan’ny CENI ny vokatra vonjimaika, ary manana iray volana taorian’io ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana hamoahana ny vokatra ofisialy. Raha ny re siosio dia mety ho ny 18 janoary izao no hivoaka izany. Isan’ny tena andrasan’ny rehetra ny ho voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra. Tsy hivaona amin’izay nolazain’ny CENI sa hisy zavatra hafa mihitsy hitranga ? Ara-tserasera sy ara-politika, somary nanaitra ihany ny nanaovan’ny CENI fanambarana niendrika fiarovan-tena sy valy bontana ho an’ny Antoko mpanohitra izay nametraka ahiahy tamin’ny fomba fiasan’izy ireo. Anisan’ireny ny nananasongadinana fa nisy avy amin’ny Antoko mpanohitra nametraka taratasy fangatahana mba ho afaka mifidy ireo tokony ho mbola ho afaka mifidy amin’ny alalan’ny fisoratana anarana amin’ny « ordonnances ». Teo ihany koa ny namoahana ny « ordonnance » an’ny kandida Tojo Ravalomanana sy nilazana fa tsy afaka nirotsaka fa raha tsy tamin’ny alalan’io. Nanaitra ihany koa ilay hoe : 2079 tamin’ny 35000 latsaka kely monja na 5,89% tamin’ireo mpifidy tamin’ny « ordonnances » ihany koa no tonga nifidy. Asa inona izany no antony nandanian’ireo olona nambara fa nangataka « ordonnances » fotoana naka izany raha tsy nifidy akory ? Stratejika be ny fifidianana eto Antananarivo, ary misy lanjany goavana ara-politika ny fanambarana nataon’ny CENI ny herinandro lasa teo. Any amin’ny voka-pifidianana ofisialy no mety hamaly ny antony. Na izany na tsy izany, hanahirana ny fitondrana ankehitriny izay voka-pifidianana eto Antananarivo eo na ho lasan’ny kandidany na ho lasan’ny fanoherana. Ao anatin’ny vanim-potoana politika mivaivay isika izao, miha mangotraka ihany koa anefa ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Hisy ve ny fahagagana ara-politika sa hiitatra ny krizy lalina ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap