Filankevitra Monisipaly izay misy mpikambana 55, eto Antananarivo Renivohitra taorian'ny didy navoakan'ny Filankevi-panjakana ny Alatsinainy 9 martsa 2026, nanafoana ny voka-pifidianana natao tamin'ny 11 desambra 2024 ka mandidy ny hamerenana izany fifidianana izany. Maro anefa no mihevitra fa tsy feno ny fepetra hanaovana io fifidianana monisipaly eto Antananarivo io. Fifidianana miisa roa rahateo no efa tokony natao nefa tsy nisy tanteraka izany. Teo ny tokony namerenana ny fifidianana filoham-pirenena tao anatin'ny 60 andro araka ny didy navoakan'ny HCC tamin'ny oktobra 2025 nefa tsy feno ny fepetra nahafahana nanao izany. Tapitra ny janoary 2026 teo ny fe-potoam-piasan'ny Loholona fa tsy notanterahina intsony koa ny fifidianana izay ho solon'izy ireo. Etsy ankilany ny CENI natao hikarakara ny fifidianana tsy itokisan'ny olona intsony, ny lisi-pifidianana feno hosoka. Mbola saika amperin'asa ireo sefo Fokontany nanamora ny hala-bato tamin'iny fifidianana tamin'ny 11 desambra 2024 iny. Ny vola hikarakarana izany fifidianana izany baraingo. Fifidianana indray koa ve moa no hialoha lalana ny fikaonandoham-pirenena. Mirona makany amin'ny fanendrena delegasiona manokana araka izany ny fitantanana ny tananan'Antananarivo. Raha ny lalàna 2014-020 mifehy ny vondrombahoakam-paritra dia didim-pitondrana raisina eo anivon'ny minisiteran'ny Atitany no anendrena ny delegasiona manokana izay misy mpikambana telo farafahakeliny ahitana filoha sy filoha lefitra roa. Rava ny Alatsinainy 9 martsa ihany koa anefa ny governemanta voalohany ao anatin'izao fanavaozana ny Repoblika izao, izay notarihin'ny praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Izay no midika fa miandry ny fitsanganan'ny governemanta vaovao ny fanendrena izay ho filohan'ny delegasiona manokana hitantana ny tananan'Antananarivo, raha tsy hoe : hisy fanapahan-kevitra politika manokana ivelan'izay. Ahiana hitarika fahataran'ny fandoavana karaman'ny mpiasa sy ny fihisaran'ny fampandehanan-draharaha eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra anefa ny fiandrasana ela izay ho mpitantana vaovao.
Jean D.