Ny mivory ihany no mivory fa misy depiote tsy mbola hita tety mihitsy hatramin'ny nanombohan'ny fivoriana. Ny sasany mandehandeha any am-pitandranomasina any fotsiny. Miangavy anareo mpanatanteraka ihany koa hajanony ny fitondrana depiote mandehandeha mitety faritra na manatrika seminera anatin'ny fotoam-pivoriana. Olona vitsy kely sisa no mivory ato, toy ny valalan'alika tsy misy mpitondra.", hoy ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitr’ity olom-boafidy ity. Bangabanga hatrany ny toerana ao Tsimbazaza hatramin’ny nanombohan’ny fivoriana ara-potoana ny 18 oktobra 2022 teo. Fotoana handinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 na LFI 2023 moa amin’ny ankapobeny ity fivoriana ara-potoana ity. Ny 30 oktobra 2022 farafahatarany no nofaritan’ny lalàna fa tokony ho nahatongavan’ny LFI teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Ny 11 novambra 2022 teo anefa, nanao karazana ampamoaka tao amin’ny fandaharana malaza iray ny depiote iray fa antontan-kevitra tsy tena izy no tonga tany amin’izy ireo, zavatra tsy feno,… Ny 25 novambra 2022 izao anefa no voalaza fa handaniana ity LFI 2023 ity, izany hoe: azo antoka fa betsaka ny solombavambahoaka izay ny fananganan-tànana no ho lehibe indrindra satria amin’ny fandaniana no matetika tonga maro, fa amin’ny ankampobeny dia bang any ankamaroan’ny seza. Tena iankinan-javatra maro, ary tsy tokony ho tahaka ny hatramin’izay anefa ny LFI 2023 raha tarafina amin’ny fampanantenana maro, ny zavatra ho atrehin’ny firenena toy ny fifidianana, lalaon’ny Nosy,… Nisy ny solombavambahoaka efa naneho fa mety hiakatra 60% mitaha amin’ny teo aloha ny tetibolam-panjakana 2023. Tena mahafehy izany sy niady ho amin’ny tombotsoam-pirenena tokoa ve ireo olom-boafidy izay mpiara-dia amin’ny fitondrana no betsaka sa dia mipetraka ho mpananga-tànana sy mpitehaka ny ankamaroany ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby