airtel

Politique

25-mars-2026

Antenimierampirenena

Depiote 5 naongan'ny HCC,

Sample post image

hisy hohenjehin’ny Fitsarana…

25-mars-2026

Niongana ireo depiote 5 voalaza fa tsy nanatrika fivoriana ara-potoana faharoa tamin’ny taona 2025, araka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, taorian’ny fangatahan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko. Niongana ny depiote Ahmad Ahmad voafidy tany Mitsinjo tamin’ny maha kandida tsy miankina azy, sy ireo hafa voafidy tamin’ny anaran’ny IRMAR, dia Rahantanirina Lalao tany Mahajanga I, Raharoarilala Tinoka Roberto Michaël tany Toliara I, Rahelihanta Jocelyne tany Antsiranana I, ary i Soafilira Princia tany Analalava. Milaza ny HCC fa voamarina ny tsy fisiana antony ara-dalàna nanamarina ny tsy fahatongavan’izy ireo, ka nambara ho voaroaka ho azy.
NIEZAKA NIARO TENA
Samy nandefa fitarainana sy fiarovan-tena tamin'ny HCC fa tsy nahomby! Raha fintinina, Rahantanirina Lalao dia nanazava fa nisy fandrahonana nahazo azy, fitsaboan-tena,... Rahelihanta Jocelyne naneho fa nandefa taratasy fanamarinana ara-pitsaboana sy taratasy fialan-tsiny izy, ary ny tsy fahatongavana dia vokatry ny “fandrahonana ara-politika” nahazo ny fianakaviany. Raharoarilala Tinoka Roberto Michaël nanambara fa voatery tsy tonga noho ny “loza sy fandrahonana ara-batana” ary naneho taratasy ara-pitsaboana manamarina ny fahalemena ara-pahasalamany. Soafilira Princia kosa nilaza fa tsy nisy porofo mazava momba ny tsy fahatongavany tanteraka, ary ny tsy fahatongavana dia “ara-drariny sy ara-pitsaboana”. Ahmad Ahmad kosa nanohitra ny ambara fa fototra ara-dalàna mihitsy, nilaza fa tsy voaporofo ny tsy fahatongavany ary tsy voahaja ny “zon’ny fiarovan-tena”. Ity farany izay tsiahivina fa mpifaninana tamin'Atoa Siteny Randrianasoloniaiko tamin'ny fifidianana PAN farany saingy niala an-daharana tamin'ny ora farany. Asa misy ifandraisany ? Na izany aza, ny HCC dia nanambara fa tsy manan-kery ireo fanoherana satria ny fitsipika anatiny no mifehy ny fanapahan-kevitra, ary tsy azo adika ho toy ny fitsarana ny Birao maharitra. Nanamafy ny HCC fa ny tsy fanatrehana tsy misy antony azo ekena dia mitarika ho amin’ny fahaverezan’ny seza, araka ny voalazan’ny Andininy faha-11, andalana faha-3 hatramin’ny faha-5 ao amin’ny Fitsipika anatin'ny Antenimierampirenena. Noho izany, dia nambara ho banga ny seza, ary voatendry mpisolo toerana avy hatrany ny solombavambahoaka vaovao, dia i Sylvain Claude Émile ho an’Antsiranana I, i Heriniaina Tia Solofomanga ho an’i Mahajanga I, i Maharante Rakotonandrasana Jean de Dieu Benjamin ho an’i Toliara I, i Mananko Jérôme ho an’i Analalava, ary i Mena Honaisiford Edwin ho an’i Mitsinjo.

AHOANA IREO HAFA ?
Misy dikany sy lanjany ara-politika ity fanapahan-kevitra ity eny fa na ny fotoana namoahana azy aza: mitranga taorian'ny fanatsikafonan'ny Cour des comptes mikasika ny volabe 2,61 miliara nifampizaran'ny HCC, mivoaka mialohan'ny fitsanganan'ny governemanta,... Fifandrifian-javatra ve? Saika taorian'ny fionganan'i Andry Rajoelina avokoa ny tsy nahitana an'ireo depiote sasany, izay tsy 5 ihany fa mbola misy depiote hafa voamarika fa tsy hita popoka toa an-dry Naivo Raholdina izay tsy nipoitra mandrak'ity ny androany, Lanto Rakotomanga izay efa volana maro taty aoriana no nipoitra teny amin'ny BNGRC nanolotra fanampiana ho an'ny traboina, Augustin Andriamananoro lasa nitsoaka any ivelany,... Mbola misitraka ny zo sy tombotsoa maha depiote izany izy ireny mazava ho azy! Hisy fanenjehana ara-pitsarana an'ireo manana dosie? Isan’ny efa minisitry ny mponina ohatra i Soafilira Princia kanefa ity minisitera ity no voatonona ho nisy fiara 409 nanjavona ka mety ho voasaringotra ? Tinoka Roberto voatonona tamina raharaha maro,… Ahoana ireo hafa manana dosie lehibe mbola depiote izay maro no ao satria toa azo natao ihany ny nanana ny "immunité parlementaire" toa an'i Depiote Sahindrarimalala Marie Michelle izay any am-ponja amin'izao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap