airtel

Politique

21-juin-2023

Politique

Antenimierampirenena Haongana ny birao maharitra ?

Sample post image

Miha mangotraka ny politika, mihamafy ny krizin’andrim-panjakana taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisan’ny antenimierampirenena ny governemanta tamin’ny desambra 2022.

21-juin-2023

Mamofompofona fanonganana kosa ao Tsimbazaza amin’izao fotoana izao, izay heverina fa misy ifandraisany tamin’ireny toe-javatra ireny. Mandeha ny feo ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ny mety hanonganana ny Birao maharitra tarihin-dRtoa Christine Razanamahasoa. Valy bontana avy amin’I Mahazoarivo taorian’ny fitsipaham-pitokisana nitsefotra ve io? Toa mampiharihary ny fisian’ny fifandirana ny tsy fahitana hatrany an-dRtoa Christine Razanamahasoa tamin’ny fahatongavan’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian tao Tsimbazaza ny 24 may lasa teo, nandritra ny fanombohana ny tatitry ny governemanta. Tahaka izany ihany koa ny tamin’ny 8 jona teo, izay saika hanombohana ny adihevitra teo amin’ireo andrim-panjakana miisa roa taorian’ny tatitry ny mpanatanteraka. Nisafidy ny nandeha niatrika fihaonana sy hetsika parlemantera tany Seychelles sy tany Afrika Atsimo Ratoa Christine Razanamahasoa tao anatin’ireo. Nialohan’izay no nisian’ilay fahaverezan’ny findainy, izay nambarany fa fantany ny tompon’antoka. Nisafidy ny nangina moa izy tamin’iny, ary tsy nisy tohiny intsony hoe: iza sy inona marina no tao ambadika? Azo inoana fa tsy mifanalavitra amin’ny resaka politika ary raha ny avy amin’ny fanoherana no mety ho ambadik’izany mety efa nobedaina, fa matoa nangina izy dia ao raha! Momba ny asa sy raharaham-panjakana, ny an’ny Antenimierandoholona efa nandeha nanomboka omaly ny adihevitra sy fanontaniana ho an’ny governemanta, raha toa ka vinavinaina ho aorian’ny fetim-pirenena ny etsy amin’ny Antenimierampirenena. Asa na ho tanteraka ihany na tsia? Sarotra ny toerana misy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina eo amin’io endrika krizina andrim-panjakana na mety ho tsy fifankahazoana eo amin’ny samy olobe ao anatin’ny Fitondrana io satria mandeha ny resaka fa mangatsiatsiaka ny fifandraisana eo amin’ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Izy ireo izay tsikarika ny tsy fahatazanana azy ireo tamin’ny lanonan-dehibe ara-panjakana roa sosona dia ny fanokavana ny Rova sy ny faha-50 taonan’ny Banky Foibe, ka asa fifandrian-javatra ihany na ahoana ?


SAROTRA NY TOERANA MISY AN’I ANDRY RAJOELINA
Samy tsy dia misy azony hahilika na ny Filohan’ny Antenimierampirenana na ny Praiminisitra, ka ny mandravona no mety fanafodiny, raha mbola hilamina. Ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa, dia isan’ireo olona teo anilan-dRajoelina hatrany niainga 2009, isan’ireo vy nahitana sy angady nananana ny tetezamita, ary mahalala tsiambaratelo maro, efa minisitry ny fitsarana, ary isan’ireo natolotra ho Praiminisitra tamin’ny tolon’ny depiote 73,… saingy Atoa Ntsay Christian no nivoaka avy tany. Lany 100% tamin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierampirenena! Mafy ihany koa ny Praiminisitra Ntsay Christian matoa tsy nihontsona teo na nisy aza ny fanozongozonana samihafa. Niova im-betsaka ny mpikamban’ny governemanta, fa izy teo foana niainga tany amin’ny tetezamita ny taona 2018. Fonksionera ambony teo anivon’ny Sehatra iraisam-pirenena ka nahatonga filazana fa olon’ny iraisam-pirenena, misy hery ara-toekarena sy ara-bola voalaza fa ao an-damosiny,… Asa hanao ahoana ny ho fihodin’ity politika anatin’ny mpitondra ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap