dia namoaka fanambarana fosialy omaly tolakandro ny avy ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalana ity tamin’ny alalan’ny Talen'ny fiarovana eto amin'ny, ny Général de Brigade Mamorisoa. Mampahafantatra sy manamafy izahay fa tsy misy miaramila na mpiambina manokan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena voatifitra teny Andohanimandroseza ny talata 21 novambra lasa teo, hoy ny fanambarana.
MANALA TENA
Toa te hilaza ankolaka ny antenimierampirenena fa tsy misy idiran’ny filohany na ny kely aza iny raharaha iny. Nifamahofaho be ihany mantsy ny resaka hoe nisy mpiambina an’i Christine Razanamahasoa anisan’ireo voatifitra, satria nanakiaky ny trano fonenany no nisian’ny fifampitifirana ; teo aza ireo nilaza fa hoe saika ho any amin’ny filohan’ny antenimierampirenena ireto olona nandeha fiara ireto. Ny talen’ny fiarovana eo anivon’ny antemierampirenena aloha iny niteny iny , fa andrasan’ny maro izay mety hambaran-dRamatoa Christine Razanamahasoa. Mialoha kelin’ity raharaha Andohanimandroseza ity moa dia nisy feo niparitaka, na naparitaka milaza fa misy fikasana hisambotra an’i Profesora ranjeva sy Christine Razanamahasoa any ambadimbadika any. Efa nilaza ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana fa tsy mitombina izany resaka izany. Be loatra ihany anefa ny fifandrifian-javatra, ka mahatonga io resabe etsy sy eroa io. Mahita ny olom-pirenena , indrindra fa ireo mpanara-baovao politika fa misy zavatra tsy mazava ity raharaha Andohanimandroseza ity.
(Sary fanehoana)
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny