airtel

Politique

22-juil-2022

Politique

Antoko Demokraty Kristianina Miantso ny rehetra hanohana an’i Marc Ravalomanana

Sample post image

Nanao antsoavo omaly ny antoko politika Demokraty Kristianina ho an’ireo mpikatroka eo anivon’ity antoko ity manerana ny nosy,

22-juil-2022

ny mpanao politika rehetra, ny malagasy manontolo, ny International Démocrate Chrétien na ny antoko Demokraty Kristianina iraisampirenena mba ho tonga etsy amin’ny Magro Behoririka rahampitso sabotsy 23 jolay 2022. Natokana ho antso fanavotam-pirenena io fotoana io, hoy ny filohan’ity antoko ity, Desire Rapetera. Fantantsika tsara fa efa latsaka anaty fahantrana lalina ny firenena ankehitriny. Fotokevitra maha malagasy antsika izany fifidianana izany. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena. Tokony ho ambara mandrakariva izany fahamarinana izany mba hahatonga fandrosoana ho an’ny malagasy rehetra. Efa nanao fanambarana ampahibemaso iny ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, fa manana vahaolana maika ahafahana mamaha ny olana eto amin’ny firenena izy. Miantso antsika rehetra hanohana azy noho izany ny antoko politika Demokraty Kristianina. Tsy misy fampandrosoana azo atao eto raha tsy ny fotokevitra maha malagasy antsika no miorim-paka ao amin’ny malagasy tsirairay avy dia ny fihavanana izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap