airtel

Politique

08-avril-2024

ANTOKO FANOROLAHY

Nanampy ireo marefo sy namboly hazo tao Morondava

Sample post image

Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’ny antoko Fanorolahy.

08-avril-2024

Taorian’ny fizarana masomboly sy fanomezana fiofanana ireo tantsaha mpamokatra tany Fenoarivo Atsinanana dia mitodika any Morondava indray ity antoko ity ankehitriny, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa nentin’izy ireo nandinihina ny fanampiana ireo marefo ao anatin’ity distrika iray ity hahafahana miady amin’ny fahantrana. Niarahany tamindry masera izay havanana amin’ny fanaovana asa soa any an-toerana izany, izay tsiahivina fa tsy manadino velively ireo kamboty sy ireo olona manana fahasembanana ary ny Reny mananontena. Tapaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta fa hojerena ny fiaraha-miasa azo hifanoloran-tanana hanohanana ny mpiara-belona. Nitohy tamin’ny fizarana fitaovana ho an’ireo mpanjono tany an-toerana izany hahafahan’ireto farany manao araka ny tokony ho izy ny asa fihariana tanterahiny. Ny 80%-n’ireo Raim-pianakaviana ao Morondava mantsy dia saika mivelona amin’ny asa fanjonoana avokoa. Betsaka anefa ireo fitaovana mbola tsy ampy sy ny kojakoja mifandraika amin’izany, antony nanoloran’ny antoko Fanorolahy fanampiana ho azy ireo. Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona ny jeneraly Ravalomanana Richard izany tamin’io afak’omaly Sabotsy io ihany mba hiarovana sy hikajiana ny tontolo iainana indrindra fa ny ady hatao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Voaasa manokana tamin’izany ny consul an’i Portugal niara-namboly hazo taminy. Zana-kazo an-jatony no novolena tamin’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fitaovana ho an’ireo mpanjono tao Morondava !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap