dia tahaka izay ihany koa ny fanambarana nentin’ny Jeneraly Camille Vital Filohan’ny Antoko Hiaraka Isika omaly. Fitondrana lany tamin’ny fomba demokratika ka tsy tokony hisy ilàna fikaonandoham-pirenena. Tokony havela hanapitra ny fe-potoana iasany hatramin’ny farany, hoy io Ambasadaorontsika any Maorisy io. Efa betsaka, hoy izy, ny fikaonan-doha, fa tsara ho fantatra fa tamin’ny fotoanan’ny korontana, 1972, 1991, 2002, 2009. Aminay milamina ny eto amin’ny firenena amin’izao, misy filoha lany tamin’ny demokratika, ka tsy hitako izay ilàna fikaonan-doha. Ny hirosoana any amin’ny fifidianana 2023 no tokony hirosoana, fifidianana am-pilaminana no fanirianay, mieritreritra fa tokony hisy ny fahendrena ahafahana miatrika fifidianana milamina. Tsy manakana ny mpanohitra hanao tsikera am-pilaminana, izay isaorana azy. Tsara ho an’ny fitondrana hanarenana ny zavatra tsy mety izany, hoy izy. Moa mba mihaino sy manitsy ny Fitondrana. Nanambara fa mbola manohana ny fitondrana ny Hiaraka Isika sy ny vovonana ARMADA. “Izahay tsy manana minisitera, izaho irery no manana toerana ambasadaoro. Tsy nisy zavatra nifanarahana hoe: homena an’izao, fa ny anay ny tanjona dia ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ity Praiminisitra tamin’ny tetezamita ity. Samy manana ny hamaritany ny atao hoe: krizy moa io, fa raha ny famaritana nataon’ny manam-pahaizana ara-toekarena iray, rehefa misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy na mikatso, izay adika amin’ny teny vahiny hoe: “dysfonctionnement”, dia krizy no ilazana izany. Asa hoe: manao ahoana ny fifehezana ny vidim-piainana? Manao ahoana ny fahefa-mividin’ny vahoaka? Manao ahoana ny fifehezana ny fandriampahalemana? Manao ahoana ny toekarena? Manao ahoana fitantanan-draharaham-panjakana? Manao ahoana ny diplaomasia izay misy azy izay azo isaina amin’ny rantsan-tànana ny voatendry aty amin’ny herintaona tsy hifaranan’ny fe-potoana hiasana? Ampahany ireo fa ny hamaranana azy dia ny hoe: tena milamina sy mandeha araka ny tokony ho izy ve ?
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.