airtel

Politique

12-sept-2023

Antoko HVM

Raha tianareo hilamina ny fifidianana dia avelao halalaka ny rehetra”

Sample post image

Manatsikafona hatrany ny tombo sy hala mikasika ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ireo antoko sy mpifaninana ao anatin’ny fifidianana.

12-sept-2023

Ho an’ny Antoko HVM izay manana ny kandida dia Atoa Hery Rajaonarimampianina, dia nohamafisin’Atoa Alain Désiré Rasambany omaly, fa ny antokon’ny fitondrana afaka nanao hetsika malalaka teny amin’ny CCI Ivato sy tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa ireo kandida hafa nosakanana teny Mandrimena Andoharanofotsy namoahana mpitandro filaminana mitam-basy, kanefa samy anaty efitrano izao. “Raha tianareo hitovy ny zon’ireo kandida ary tiana hilamina sy hangarahara ny fifidianana dia ampitao any amin’ny governemanta ny fanafoanana ilay naoty nataon’ny Minisiteran’ny atitany mikasika ny tsy fahafahana mamory olona ankalamanjana manomboka”, hoy io solontenan’ny HVM io. Notsipihiny fa tokony ho afaka mamory olona ny antoko sy ny kandida mahakasika ny zavatra tiany hatao sy ny foto-kevitra tiany hozaraina amin’ny vahoaka satria anatin’ny “pré-campagne” izao raha ny lalàna no arahina. Hajaina foana ny lalàna, fa mampiteraka ahiahy satria ny governemanta miara-mitantana dia fantatra tsara hoe: iza no nametraka azy, dia ilay kandida filoham-pirenena izay vao nivoaka avy teo amin’ny fahefana, ary Atoa Praiminisitra ihany koa dia tao anatin’ny “camp TGV” izay efa nikarakara fifidianana tamin’ny 2018 ka amin’ny fomba ahoana moa no hahatokisanay hoe: tsy mitanila makany amin’ny tombotsoan’olon-tokana tokoa ny fomba fiasan’ny governemanta? hoy Atoa Alain Désiré Rasambany. “Enga anie mba hitazona ny tsy fitanilana tokoa, fa raha tsy izay dia hikorontana eto isika satria fantatsika fa mafampana ny toe-draharaha amin’izao. Izahay nametraka fitoriana tamin’ny HCC dia nampidirina anaty “tiroir” fotsiny hoe tsy azo raisina! Tsy mampaninona, tsy hoe kanosa ireo kandida ireo fa manana mpanolotsaina amin’ny lafiny lalàna be dia be ka niroso tamin’izany fitoriana izany. Hitondra filaminana any amin’ny zotram-pifidianana ve ny nanaovan’ny HCC iny fanapahana iny?”, hoy I Alain Désiré Rasambany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Card image cap
18-avril-2025

Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary

Card image cap
18-avril-2025

Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,

Card image cap
18-avril-2025

Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian

Card image cap
17-avril-2025

Misolelaka amin’ny frantsay fotsiny no ataon’ny mpitondra antsika!»

Card image cap
17-avril-2025

Miverina indray ny fanjanahan-tany ?

Card image cap