tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Politique

Antoko MFM “Tsy hitondra vokatsoa ny fanaovana fifidianana amboletra”

Vanim-potoana maro nifandimby tsy hay kosehina amin’ny tantaran’ny firenena no natrehin’ny antoko MFM na Mpitolona ho an’ny fandrosoan’I Madagasikara,

30-déc-2022

Sample post image

hoy ity antoko politika ity nandritry ny fanamarihana ny jobily faha 50 taonan’izy ireo tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. Mandroso sosokevitra ny antoko, hoy izy ireo, ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra, antoko politika, fiarahamonim-pirenena, mpitondra fanjakana. Ilaina ny donak’afom-pirenena ivoahana amin’ny krizy politika hilaminan’ny ara-toekarena sy sosialy. Soatoavina lehibe ahombiazantsika amin’ny fampandrosoana ny fifampiresahana eto amin’ny firenena ary tokony hotanterahana haingana izany fa sahirana ny 92%n’ny valalabemandry. Ho tohin’ny fanambaran’ny antoko MFM ny 28 febroary 2021 dia hamafisinay fa ny fanaovana fifidianana amboletra amin’ny lisi-pifidianana feno hosoka dia tsy hitondra vokatsoa ho an’ny firenentsika ka ny fananganana ny rafitra mahaleotena tsy miandany tsy voabaiko ary ankatoavin’ny rehetra. Takian’ny MFM ny hanadiovana ny tokontany hanavaozana ny lalana rehetra mikasika ny fifidianana ka lalana iray ihany no ampiasaina amin’ny fifidianana rehetra hoavy. Fanatsarana ny rafitra CENI ka andraisan’ireo solontenan’ny antoko politika anjara. Fametrahana ny rafi-pitsarana manokana misahana ny fifidianana toy ny CES na “Cour électorale spéciale”. Fanomezana lanja ny fokonolona. Firosoana amin’ny karatra biometrika. Mihevitra ny MFM fa ny fampandrosoana voarindra isam-paritra, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no hiteraka tombontsoa be dia be ho an’ny tsirairay sy ny vondron’olona ifotony. Handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo ambaratongam-pifidianana rehetra ny MFM aorian’ny fanadiovana ny tokontany ka ny vovonana irery ihany no hanapaka izany. Tsy miandry 50 taona intsony isika. Miantso ny mpitolona MFM rehetra, ny maintimolaly, ianareo vato nasondrotry ny tany manerana ny nosy sy ny any dilambato hametraka ny vatom-panorona maty paika ka ny rafim-pitondran’ny antoko no hanomanana ny fandraisam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana, hoy hatrany ny MFM. Mazava ny lohahevitra noraisina, hoy ny filohan’ny MFM, Olivier Rakotovazaha, fa hoe “Ilazao ny zanak’Israely mba handroso!”. Handroso isika izany, hoy izy, miala an’I Egypta ho any Kanana ary hamakivaky ranomasina mena. Anaty fahantrana isika no hiroso ho any amin’ny fahombiazana. Mila mampandroso ny firenena, miala amin’ny adilahy politika, miala amin’ny fanjanahantany amin’ny endriny rehetra mba ho any amin’ny fahafahana fa tsy ho fehezina. 500 tapitrisa dolara no tetibolantsika hatramin’izay. Amin’ny taona hoavy izany tokony tsy voatery hiankina amin’ny Dolara intsony isika fa amin’ny Ariary ary zontsika ny mitrandraka sy mifehy ny harentsika. Ny sarinteny nampiasaina toy ny hoe Farao dia ireo nanandevo sy nanjanaka ary ny ranomasina mena dia ny sakana natao tamintsika tsy hahafahana mankany Kanana. Isany, ohatra, ny lisi-pifidianana, ny fikarakarana fifidianana, ny fanadiovana fokontany, hoy hatrany ny MFM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Ravalomanana sy Rajaonarimampianina Andrasana hanao fanambarana goavana anio
23-mars-2023

Hita ho tafahaona sy tafaresaka teny amin’ny foibem-pirenena momba ny teny an’ny Akademia malagasy eny

Card image cap
Depiote Todisoa Andriamampandry Manofana ny olona hahay hanamboatra savony
23-mars-2023

Ao anatin’izao fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy izay tena hita taratra amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka izao,

Card image cap
Fanaraha-maso ny mpiara-miasa Miatrika fiofanana ireo ben’ny tanàna vehivavy
23-mars-2023

Nosokafana omaly ary hifarana ny zoma izao ny fampiofanana ireo ben’ny tanana vehivavy mikambana eo anivon’ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna vehivavy eto Madagasikara.

Card image cap
Fitantanana kaominina Isan’ny olana ny ara-bola
23-mars-2023

Isan’ny olana sedraina eny anivon’ny kaominina ny olana ara-bola, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Anosizato sady filohan’ireo fikambanan’ny ben’ny tanàna vehivavy, Andriambololona Laurence.

Card image cap
Fanjakana kely ao Toamasina Refesin’ny Prefe ny fitsarana sy ny governemanta
22-mars-2023

Namoaka didy manome baiko ny vadintany rehetra ny Prefen’I Toamasina Atoa Ambinitsoa Jean José ny 09 martsa teo,

Voir plus