airtel

Politique

22-janv-2024

Antoko MMM

“Tomponandraikitra amin’ny fanakorontanana ny fitondrana mikiribiby”

Sample post image

Matoa milaza ny firaisankinan’ny kandida miisa 11 na C11 hoe mitohy

22-janv-2024

ny tolona dia mbola tsy tratra tsinona ny tanjona hanadio ny tokontanim-pifidianana, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM, nanokatra ny taom-pikatrohana politikany ho an’ity taona 2024 ity ny sabotsy teo. Tsy midika izany, hoy ny filohan’ny antoko, Hajo Andrianainarivelo, fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana izahay fa handray anjara toy ny tamin’ny farany teo izahay. Rehefa tsy hiditra amin’ny fifanakalozan-kevitra ho fanadiovana ny tokontanim-pifidianana ny fitondrana amin’izao fotoana izao dia ho tomponandraikitra amin’izay zavatra mety hiseho amin’ity taona ity. Efa nampiseho tsinona teo ny vahoaka maro an’isa fa tsy manaiky ireny fifidianana feno hosoka sy feno tsy fanarahan-dalàna ireny. Tsy hoe resy akory ny vahoaka tamin’iny fa nangina satria nitady filaminana. Ho raisina ho tomponandraikitra amin’ny fanakorontanana an’ity firenena ity kosa ny fitondrana raha amin’izao no mbola mikiribiby hanohy iny lalan-dririnina iny. Mino izahay fa hijoro hanakana ny olona mpanimba sy mpanakorontana firenena ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny MMM.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap